Edito

An-driran’antsy sy tsy lavo loha


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Mandry an-driran’antsy sy tsy lavo loha ankehitriny ny vahoaka malagasy manoloana ny fitaintainana iainana isan’andro eto amin’ity firenena ity vokatry ny tsy fahatomombanan’ny sehatra rehetra.

Tsy tomombana ny resaka fotodrafitrasa. Potika ny lalana. Vokany, sesilany ny lozam-pifamoivoizana. Ontsa ianao sady mihorin-koditra tamin’iny faran’ny herinandro iny nahita hoe tena azo lazaina ho fianakaviana iraimanontolo no tsy nisy aina tratra intsony vokatry ny lozam-piarakodia nitranga teo anelanelan’I Fianarantsoa sy Manakara. Samy maminavina ny rehetra hoe lalam-pirenena faha firy indray io namoa-doza io? Tsy tomombana ny fiveloman’ny isan-tokantrano. Saika isan-kerinandro izao dia mandre hoe nisy zazakely narian-dreniny indray tatsy na taroa. Farany teo izao hoe tao Moramanga. Dia hihazakazaka hanome tsiny ilay reny ve isika, hoy ny fanontaniana mipetraka sisa, satria hatraiza tokoa moa izany izao eto amin’ity firenena ity no fetran’ny antsoina hoe tsy azo anoharana? Mahantra loatra ilay Madagasikara. Mahantra ny sain’ny olompirenena. Tsy manana heritreritra afa-tsy ny ho hanina omaly fa tsy mba hoe anio intsony akory. Kely ny karama raisina isam-bolana ary tsy ahitana fisondrotana firy koa izany satria ireo mpandraharaha izay tompon’ny orinasa koa aza mikaikaika amin’ny afitsoky ny krizy tsy mbola mety voavaha hatramin’ny taona 2019 sy ity hetra maro lafy foronina ho azy sy midangana ity. Marary koa ny dikan’izany ny paosin’ny mpiara-monina. Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana intsony izao na iza na iza. Lojika, mirongatra koa ny tsy fandriampahalemana ary na ny fitondram-panjakana aza efa hita ho misambadidaka amin’ny fanapahankevitra tokony ho raisina. Izy no nandrara ny tsy tokony hankalazana ny 8 martsa amin’ity kanefa dia izy ihany koa no nandika izany voalohany. Ny fanapahana noraisina anio, misy anio ihany dia efa nofoanana. Ho aiza ary isika ity ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT