Edito

An-dalam-pahaverezana…


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Ho sarotra ny fandidiana ara-politika atsy ho atsy, ary betsaka ny ho diso fanantenana. Misoko mangina ny kajy politika avo lenta,


 ary ny loza dia tsy ny noraisina ho fahavalo hatramin’izay no handavo fa ireo mpamosavy malemy tsy te hitaingina soavaly maty. Raha vantanina ny resaka, mihakely ny herijika polikan’ny Filoha ankehitriny mbola hahatazona ny toerany amin’ny fifidianana ho avy. Samihafa ny hoe : olona mbola tsy fantatry ny rehetra firy tamin’ny 2007 niitatra tamin’ny 2009, mbola nandaitra ny naha olom-baovao nolaroina filalaovana ny tantaram-pahombiazana na « succes story ». Rehefa nivadika teny anefa ny ora sy ny taona, tany amin’ny sehatra hafa mety nahomby kokoa ary tsy azo lavina, fa aty amin’ny fitantanana firenena, dia tsy fakan-tahaka. Ny naka sy nandrombaka fahefana vita ihany, fa ny nitantana sy nampandroso firenena dia fitambotsorana, fijotsoana, fahapotehana, fihemorana,… no tena tantara napetrak’i Andry Rajoelina teto amin’ny firenena, raha ny fiainam-bahoaka sy Madagasikara manontolo no jerena. Tsy lavina, ary mandainga raha hilaza fa tsy niasa sy tsy nanao zavatra izao Fanjakana izao, saingy ny tena fametrahana ny laharam-pahamehana no hafahafa. Lasa alohan’ny omby foana ny sarety, ka manao zavatra vao misaina. Porofo iray mivaingana ny vina sy tetikasa izay ny hoenti-manana tsy misy, fa ny fampanantenana no betsaka. Taiza no mbola nisy hoe : ny zavatra resahina matetika lazaina fa efa ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) kanefa ny fandaharana ireo laharaham-pahamehana sy ny fitadiavana mpamatsy vola aza vao ny volana febroary lasa teo no nikarohana manam-pahaizana manokana. Maro ny tetikasa misavoamboana tsy mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy, saingy endriky ny haingo ambony tsikoko no ankamaroany : kianja, gymnase, Tanamasoandro, teleferika,… Izany ve no maika amin’izao ? Tsy lavina, ary irariana ny handehanan’ny fanamboaran-dàlana, làlam-be migodana,… fa mby aiza ho aiza ny hoenti-manana ? Aiza no ahitan’ny Fanjakana Rajoelina famatsiam-bola am-polony miliara dolara ato anatin’ny herintaona sy tapany. Be loatra ny ronono an-tavy, saingy mba efa nahafahan’ny vahoaka naka lesona kosa izay 13 taona niainga tamin’ny 2009 izay e! Efa naman’ny very raha ny lojikan-javatra rehetra .
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT