Ampy izay!

Tafiditra tanteraka ao anaty tsy fahamarinan-toerana ara-politika ny firenena.


  • Alakamisy 19 Oktobra 2023

Mikorontana na akorontana noho ny tombotsoa ara-politika ireo andrim-panjakana samihafa,

hany ka toa ambony ambany tanteraka, voahosihosy ny andrim-panjakana, tsy voahaja ny fisaraham-pahefana, mandeha ny didin’ny be sandry,… Efa tany amin’ny faran’ny taona lasa teo no niaraha-nahita ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, saingy nanaovana toton’ondry bory ny fisakanana azy teny antenantenan-dalana. Ny rafitra efa tsy marin-toerana notsipahan’ny olom-boafidy anefa no nahazo ny baolina hitondra ny firenena, dia iny niaraha-nahita iny, fa notrongisina ihany koa ny filohan’andrim-panjakana teo anivon’ny Antenimierandoholona rehefa sahy nanatsikafona ny marina. Io fa ezahana hozongozonina ny filohan’ny antenimierampirenena rehefa sahy nilaza mahitsy ny zava-misy,… Miitatra hatrany ny krizy, saingy boriboriana amin’ny hoe: asa fanakorontanana, tadiavina haroboka any anaty ady an-trano ny Malagasy, hampanjakaina ny tsy maty manota, ny setrasetra, hetraketraka,… Rehefa tsy nahomby tany amin’ny fanelezana tsaho an-taratasy ary narahina fandaharana manokana fa mikendry handroba sy hamotika ary handoro dia miditra amin’ny fomba fiady hafa indray? Hafahafa ny kolontsaina ezahina volena sy efa novolena teto nanomboka ny 2009. Hahomby mandra-pahoviana io sotasota sy herisetra ary ny fianteherana amin’ny herin’ny vola io? Hahomby foana ve ny kolontsain’ny akoho efa avy novolosana sy noratraina hivoa-dra tahaka ilay fanoharana nataon’I Hitler tamin’ny fotoan’androny ka na avy nampitondraina faisana aza manaraka ihany rehefa tsipazana katsaka? Fotoana izao hisian’ny fahatongavan-tsaina faobe, fotoana izao hiaraha-mijoro handresy ny kolontsain’ny tsy maty manota, fotoana izao hamerenana ny Fanjakana tan-dalàna, fotoana izao hiarahan’ny Malagasy mifoha sy mivondrona ary mihavana mba handresena ny ratsy sy hametrahana ny tena fampihavanam-pirenena hisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika, toekarena, sosialy,.. Tsy manan-tsafidy intsony isika! Ampy izay ny fanabadoana, ampy izay ny kolontsain’ny tsy maty manota, ampy izay ny fiheverana ny Malagasy ho bado! Mila mifoha ny Malagasy!!!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT