Edito

Ampy izay ny fanararaotana vahoaka!


  • Talata 01 Aogositra 2023

Filma efa nandeha tahaka ny fitenin’ny tanora ity resaka kizarazara sy kitapitapi-maso ity e! Fomba fiadin’ireo mpitondra sasany rehefa akaiky hifarana ny taom-piasana.

Ny olom-boafidy tahaka ny ben’ny tanàna hizarana moto aty amin’ny fotoana farany hanaperany ny taom-piasany, ny Prefe sy Lehiben’ny distrika nizarana fiara tsy mataho-dàlana, ny vahoaka tsipazana vary mora izay voatsonga sy tandrifindrify ao, dia arahana serasera mipoapoaka fa tena manao asa sosialy hono! Tsy manome tsiny ny ireo olona roboka sy mandeha mitangirika an’ireny satria sitrahany ahay mba misy harotsaka herinandro. Izany ve sisa anefa no hitezana vahoaka? Raha tena nahay nitantana sy nijery marina ny tombotsoam-bahoaka ve ny mpitondra dia ho lasa mpanao androrosy lava ny olona ka handeha handady lava amin’ny zavatra tsy mahavita taonan’ny mpanao politika? Tsy ny manome no ratsy, ary betsaka indray aza no mety handeha hanakiana hoe: ny tsy manao ihany no be tsikera. Tsy ekena kosa ny fanararaotana sy fanaovana fitaovana politika hakana seza hatrany vahoaka, ka handeha horaviravizana t-shirt, fanomezana, sakafo kely tsy maharitra, eny fa na vola aza,… dia iny fa roboka handeha hanome ny vatony ho an’ny mpanao politika andevon-tseza. Raha tena misy ny fahaiza-mitantana, tena voajery ny tena fiainam-bahoaka toy ny asa fihariana sy ny fivelomany, ny famokarana ataony,… tsy mila mitavandra an’ireny kimoramora sy kizarazara ireny ny olona, fa tena afaka miaina sy mamelona ny ankohonany, ary afaka ny hanana ambim-bava aza, raha tena mahay mijery lavitra. Ny zava-misy anefa, mandry tsy lavo loha sisa, tsy milamina na an-tsaha na an-tànana, toa tapi-dalan-kaleha hoe: inona no atao? Aiza no hiantsampy? Fotoana izao hakana lesona na ho an’ny vahoaka na ho an’ireo vato nasondrotry ny tany izay manana ny fanomezam-pahasoavany avy. Fotoana izao hiara-mientana, hiara-mandray andraikitra, hiarana manavotra ity firenena ity. Tsy miandry ho tafita vao hiara-dia fa mila miara-dia mba hiara-hiamiamiampita!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT