Ampy izay ny fanabadoana vahoaka !

Ao anatin’ny hazakazaka ara-pifidianana tanteraka isika izao.


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Andrasana amin’ity anio ity ny lisitry ny kandida ankatoavin’ny rafitra mpandray ny antontan-taratasy

ka asa hanao ahoana ny mety ho mbola fisehoany taorian’ny toe-javatra maro niseho. Na inona na inona aloha holazaina, dia tsy takona hafenina fa miha mihemotra sy miha mamohehitra hatrany ny resaka fanajana ny demokrasia sy ny fanaovana politika eto. Efa ho ny 10% latsaka kely amin’ny kaominina 1695 manerana ny Nosy no tsy misy afatsy kandida tokana satria mahatratra 157 izany. Heverina fa sambany io teo amin’ny tantaran’ny fifidianana. Ny karazana fifamelezana politika samihafa mandeha ihany, hany ka na ny mpiray antoko sy mpiray vovonana aza toa misy mifandefona ivoho. Miha simba sy miha mirefarefa hatrany ny fanaovana politika eto, miakatra ny daozin’ny filalaovana saim-bahoaka, mihamafy ny fifampihantsiana sy ny fifanaratsiana,… Mitombo ny politika maloto hoenti-manabado vahoaka, mihamafy ny sarin’ady na ny adilahy ka ny mpanao politika sasany toa mifandamina sy manao bizina avo lenta any ambadika any fa ny vahoaka madinika no mifandrafy. Ezahina halavirina amin’ny tena vina sy foto-kevitra hampandrosoana ny firenena ny Malagasy, fa tezaina any amin’ny fanompoana loko sy tsangan’olona. Hatao izay hampivoana ny Malagasy any amin’ny endrika ivelany, mandeha ny fambaboana amin’ny teny sy firesaka poakaty miaro fampanofinofisana,... Mila mijery amin’ny saina sy ny fanahy, ary mandanjalanja sy mandrefy an’ireo mpanao politika hoe : iza marina iny ? Inona no lalan-kizorany ? Inona no asa efa nataony ? Nahomby tamin’ny fiainany sy nitondra fivoarana ho an’ny fiarahamonina ? Hanompo sy hanasoa firenena no antony hirotsahany sa hibizina sy hitady vola amin’ny politika ka ny Malagasy hatrany ho tratra farany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT