Edito

Ampy izay ny fampanofinofisana


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Mifarana indray ny taona, ka dia samy afaka manao tombana ahafahana maka lesona amin’ny ho avy ny isam-batan’olona.

Maro ny mety ho tanjona notratrarina saingy tsy tratra noho ny antony samihafa, tao ny mety vita manontolo araka ny niheverana azy, tao ny vita tamin’ny ampahany,… Mila todihana ny lasa hanatsarana hatrany ny ho avy, ary tsy namanao no hifaninananao fa ny tsara vitanao omaly, hoy ny fomba fitenenana izay. Ny fahombiazana na ny lesoka dia azo raisina ho fanohitra hirosoana amin’ny tsara kokoa hatrany. Tsy vitan’ny manonofy sy nofinofy anefa ny fahazoana vokatra satria ny valala aza tsy azo raha tsy handriana ilika, hoy ny fitenenana. Ny fiainana andavanandro sy ny fivoarana amin’ny maha olona sy ny fiarahamonina izay, fa tena mitombina be ihany koa io amin’ny politika. Fotoana izao hanaovana tombana hoe : nandroso tokoa ve i Madagasikara tao anatin’izay 4 taona nitondran’ny Filoha am-perin’asa izay ? Inona no nampanantenaina ary inona no tanteraka ? Betsaka ny fampanofinofisana fa nanao ahoana ny fomba nentina nanatanteraka azy ? Tena nandray lesona sy nandray tamin-kitsim-po ny kiana sy ny tsikera na ny toromarika hoenti-manitsy ny dia ve sa dia nanao izay saim-patany hatrany ? Ny rehetra no afaka mitsara hoe : izao ve no nampanantenaina ny Malagasy tamin’ny propagandy, izao ve ilay hoe : izay tsy vitan’ny mpitondra rehetra tao anatin’ny 60 taona dia hovitaiko ao anatin’ny 5 taona avokoa,... Fatratra ny fanambaniana sy ny fanaratsiana ny hafa, raha tsy hilaza afatsy ny hoe : « nisy ny nampiesona nilaza fa hovahana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy », fa moa ve voatanany ihany koa ny teny nomeny. Nisy nilaza ihany koa teto fa mila miaritra kely satria ao anatin’ny 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy, ny talohan’izany efa nisy nilaza fa hivaha ao anatin’ny 3 andro ny fidangan’ny vidim-piainana, efa nisy teto nampiasa mpaminany sandoka fa isika no hanavotra izao tontolo izao,… Raha ny lainga sy ny fitaka tsy na ny fampanantenana tsy tanteraka efa tsy vaovao intsony, ary inoana 100% aza fa hitombo amin’ny propagandy sy ny fifidianana ho avy ka asakasak’izay mbola hanaiky hohabadoina lava eto ! Raha ireny fanao ireny toa efa tsy hiova intsony, efa tandra vadin-koditra, fa ny olom-pirenena no mila mifoha sy miova.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT