Ampy izay ny ariary zato am-pandriana!

Tsara ny manonofy saingy ny nofinofy


  • Talata 27 Aogositra 2024

tsy arahin’asa mba hivadika ho zavatra sy vokatra mivaingana

dia lasa revin-gadra na ariary zato am-pandriana, hoy isika Malagasy izay ! Raha ampifandraisina amin’ny politika sy ny fiainam-pirenena hoe : betsaka ireo fampanofinofisana sy zavatra nambara fa hatao, tsy tambo isaina ireo vina sy fandaharan’asa notanisaina,… saingy firifiry tamin’izy ireny no tanteraka, fa tsy nijanona ho revin-gadra sy fampanantenana poakaty ? Dia mbola ilaina averina foana ve fa raha izay zavatra nampanantenaina ny Malagasy na dia ny tato anatin’ny 6 taona farany fotsiny aza no tanteraka dia ho tahaka izao ity Firenentsika ity ? Isika no hanavotra an’izao tontolo izao, isika no hampindram-bola an’i Kaomoro, hahavita toby famokarana herinaratra 400MW ao anatin’ny 5 taona, hanome tany 1hekitara isaky ny tanora, ho maimaimpoana ny fitsaboana, hahavita tena ara-tsakafo, tsy mila fanampiana avy any ivelany intsony fa efa vonona ny zava-drehetra,… Anisan’ireo fampantenana nanakoako fahizay sy mbola miverina ankehitriny ireny, saingy rehetra no afaka mandinika hoe : tena nisy fanatanterahana maty paika sa ariary zato am-pandriana ? Rehefa tsy namokatra ireny, dia io isika lalaovina amin’ny kitolotolotra sy kizarazara io, ka sanatrian’ny vava toa tezaina ho androsorosy miandry tolorana. Ny fahasahiranana ny mitombo, ny vidim-piainana midangana, ny fampianaranan-janaka manahirana, ny tontolon’ny fampianarana mitotongana, ny làlam-pirenena tapitra potika, ny fihariana samihafa mandohalika noho ny delestazy, ny tanora an’hetsiny tsy an’asa, ny sandam-bola mitotongana tanteraka,… fa Ramalagasy ampatoriana, lemena, ampanginina amin’ny fanasana atidoha lava, hany ka toa lasa fampanantenana no programan’asan’ilay fitondram-panjakana misy. Dia mbola hino sy hanantena ihany ve isika fa hisy ny fahagagana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT