izay sahy maty mifono lambamena,…
hoy ny mpikaroka Malagasy fanta-daza iray. Mampisaintsaina ny fanehoany fa raha tsy tafavoaka amin’izao isika dia tena mety vao mainka ho lasa farahidiny indrindra eran-tany. Tsy maintsy tohizana noho izany ny efa natomboka, tsy maintsy hararaotina ny sy tohizana hiabo kokoa ny vokatra efa azo, mila mahay maka lesona amin’ny fahombiazan’ny Firenen-kafa,… 16 taona tao anatin’ny fangejana, fahapotehana, jadona, kolikoly, fahalovana, fahantrana lalina,… tokoa aza moa vitantsika ny nihafy sy niharitra izany, ka nahoana no tsy ho vitantsika sy tsy ho afintsika ny fe-potoana hametrahana drafitra sy lasitra hanovana Firenena anatin’ny roa taona? Mihafy sy manova ary manorina fototra anatin’ny taona vitsy no mety sa hanao maika tsy faingana sy hiverina amin’ny politika tsy manjary dia hanisa 20 taona hafa anaty gejan’ny fahapotehana indray ? Hamafisina foana anefa fa raha te hanova dia mila miova. Ampy izay ny firaviravizana tanana sy fanaovana tazan-davitra amin’ny raharaham-pirenena, ampy izay ny tsy firaharahiana ny fiainana politika sy ara-toekerana ka hivoizana an’ilay hoe : tsy hampiova ny ao am-bilaninay,… Tena ampy izay ny fianteherana amin’ny bôjo, ny gaboraraka, ny tsy fandraisana andraikitra, fa mila mahatsapa tena sy mahatsapa ny adidiny ho an’ny Firenena ny tsirairay. Akisaka lavitra ny politikan’ny androrosy, fa mila Firenena mamokatra, vahoaka miasa, fampianarana mandeha amin’ny laonina, fihariana miroborobo, politika ara-toekarena manome vahana ny Malagasy,… Ampy ihany koa izay ny famenoana paosy, fangoronan-karena, fitantanana gaboraraka, famarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka,… Mila mahay maka lesona amin’ny fahombiazan’ny hafa, ka tsy hiantehitra lava amin’ny trosa manandevo, fa kosa mahay mametraka ny politika madio sy fifanarahana tsy misy tombo sy hala. Mila mahay mitantana sy mitrandraka ireo herijika rehetra hahafahana mampiaty ny harem-pirenena,… Vitan’ny hafa ve dia tsy ho vitantsika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.