Ampy izay !

Mihazakazaka haingana dia haingana ny fahapotehan’ny firenena


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

iray rehefa ny mpitondra no tsy mahalala izay tena mahasoa ny vahoaka,

kanefa minia mikipy sy minia tsy mihaino. Mihazakazaka ny fahalovana faharavana rehefa ny olom-pirenena no mitazam-potsiny sy miraviravy tànana eo anatrehan’ny mpitondra tsy mahomby sy tsy manaiky ho diso fa manao izay saim-pantany. Moa mifankaiza amin’izany ny zava-misy sy miseho eto ankehitriny ? Ny vahoaka miha malemy, hatao izay tsy hahafahany mikofoka, fa manaiky tsy sazoka izay rehetra miseho eo, fa na efa efa hitam-poko hitam-pirenena izao aza ny famotehana ankitsirano an’i Madagasikara. Potika sy rotika ny Air Madagascar noho ny fitantanana tsy manjary fa mangina isika, milentika ao anaty lavaka ny orinasa Jirama saingy mimenomenona isika dia migrevy ny ampahan’olona dia vita eo, miondrana ny volamena tsy toko tsy forohana hahafahana manarina ny toekarena raha tsara tantana dia samy mihainohaino eo ny valalabemandry, miha mitotongana ambony ny sandam-bola Malagasy fa tsy mba misy taitra intsony,… Atao izay fomba rehetra hahanginan’ny Malagasy, hatao izay tsy handraisany andraikitra, hipetraka sy hanaiky na efa mahita miharihary ny famotehana mivantana na ankolaka ny fireneny,… Dia io iaraha-mahita sy iaraha-miaina io fa miha mitotongana hatrany ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, hany ka malalaka ny fanararaotana tahaka ny banga mihomehy alina amin’ny fanodinkodinana safidim-bahoaka. Tambatambazana amin’ny fanomezana lasa miendrika poizina sy fandrika na « cadeau empoisonné » rehefa amin’ny fotoam-pifidianana, dia roboka indray ! Fotoana kosa angamba izao hifohazan’ny Malagasy, fotoana izao hijoroana fa tena olom-pirenena mandray andraikitra, fotoana izao handresena ny fanabadoana sy fanambakana politika lava ! Ampy izay ny miraviravy tànana sy mitazam-potsiny fahapotehan’ny Firenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT