Edito

Ampy izay !


  • Alarobia 14 Jolay 2010


Dia ho fety be tokoa izany anio ao Parisy renivohitr’i Lafrantsa ao satria hiara-hifaly amin’ny mpanjanaka ny zanatany teo aloha, ary ny miaramila Malagasy aza moa, dia mba anisan’ireo voaasa hanao matso amin’izany. Raha ny fanirian’i Andry Rajoelina dia mba teny amin’ny toeran’ireo VIP niaraka tamin’ny filoham-panjakana maro izy, saingy mbola nijanona ho nofinofy sy faniriana ihany aloha izany, satria tsy afaka niantso azy ny fanjakana Frantsay, noho izy mbola voasokajy ho mpanongam-panjakana sy tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena. Miavaka ny 14 jolay fetim-pienena Frantsay amin’ity 2010 ity satria ho fahatsiarovana ihany koa ny faha-50 taonan’ny fahaleovatenan’ireo zanatany afrikanina maro, anisan’izany i Madagasikara. 50 taona toa vao mainka nanapotika ireo zanatany, izay rotidrotiky ny ady ny ankamaroany, ireo tsy miady indray dia nanjakan’ny mpitondra tsy refesi-mandidy, tsy nahazaka demokrasia sy fifidianana, ary nanompo hatrany ny mpanjanatany fahiny, ka nanaraka ny baikony.

Ny harem-pirenena moa amin’izany dia tsy nisy hitan’ny vahoaka izay nalehany fa any am-paosin’ny manampahefana sy ny fianakaviany avokoa. Natao ho fanangonan-karena sy tohatra fiakarana i Afrika, ary ho an’i Frantsa manokana dia fototra niorenan’ny toekareny ny fifanakalozana ara-barotra nataony tamin’ny firenena afrikanina zanataniny teo aloha. Efa ho 40 taona izao i Frantsa no tafiditra tao anatin’ireo firenena 8 manankarena indrindra maneran-tany, ary aiza ho aiza kosa ireo zanataniny, mba nisy nisongadina sy lasa lavitra ve ? Ampy hanaporofoana ny tsy fahombiazana ny zava-misy eto amintsika, any Cote d’Ivoire, any Guinée…Novolavolain’ny mpanjanaka ho tia kely sy tsy mahay mifanaraka ary mifampialona sy mifandrafy lava ny mponina tao amin’ireo zanataniny. Nampianariny tany aminy ireo manampahaizana sy mpanao politika ary ny mpandraharaha. Tanjona ho an’i Frantsa tamin’izany ny hahafantarany ny fomba fisainana sy ny fomba fijerin’ireo hitantana ny zanataniny fahiny, mba hahamora ny fifehezana azy ireo. Fanjanahantany amin’ny endriny vaovao sy maoderina izany, tsy nampiasana karavasy intsony. Niezaka ny nanangana ireo fikambanana maro samihafa mba hahafahany mifandray maharitra sy araka ny ilany azy amin’ireo zanataniny fahiny i Frantsa, lohalaharana amin’ireny ny Frankôfônia, ny AFD, ny Médecins sans Frontière.

Ka amin’ny maha sahirana sy mahantra ireo firenena afrikanina moa dia nanaiky ny fiaraha-miasa izy ireo, ny tena marina anefa dia nodominy tapany, avy eo nampadoavany erany ireo zanatany fahiny. Hita mibaribary izany 50 taona aty aoriana. Ny mahavelombolo fotsiny dia, efa misy ireo tonga saina ka tsy hanaiky intsony ny teti-dratsin’ny Frantsay, ka sahy nijoro. Tsy mora anefa ny ady atrehana, ny mpifanandrina rahateo tsy mifanatrika mivantana. Maro anefa no mino sy matoky, indrindra fa raha mahita sy mahare ny vaovao momba ny fikorontanan’ny mpitondra ambony Frantsay, izay maro no voalaza fa mpanao kolikoly, ny vahoaka Frantsay izay nanaovana fanadihadiana aza moa dia nitsotra ny ankamaroany (64%) fa tena mpanao kolikoly ny mpitondra azy ireo. Anisan’ireo firenena sahirana ara-toekarena any Eoropa i Frantsa ary tsy dia manana ny heriny teo aloha intsony, ka mbola azo itokisana sy iaraha-miasa ihany ve izany ? Ankehitriny rahateo efa andron’ny fivoarana sy ny fiovana marina ka aleo ny lasa homba ny lasa… Ampy izay !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT