Edito

Ampoizo ny tsy nampoizina !


  • Talata 30 Janoary 2018

Samy velom-panontaniana ny rehetra hoe inona no hiseho eto amin’ny firenena ato ho ato amin’ity resaka politika ity? Iza marina no ho kandida ary iza sy iza no hifanohana? Samy miandry ny rehetra, ary efa isan’ny niteraka resa-be ny momba ny mety hisian’ny fifanohanana eo amin’ny heverina fa ho kandida lehibe roa, dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.


 Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra ny amin’izany, fa ny tantara aoriana no hitsara. Ny toe-draharaha sy ny rivotra tany amin’ny 10 taona lasa tsy hitovy velively amin’ny ankehitriny. Ny tokony ho ao an-tsain’ny rehetra kosa dia ny hoe: mila ampoizina ihany ny tsy nampoizina amin’ny tontolo politika. Tsy resaka izy mirahalahy mianaka ireto ihany fa ny tontolo fanaovana politika eto amintsika mihitsy. Ny mpinamana anio mety ho lasa mpifahavalo atsy ho atsy, ary ny mpifanenjika omaly mety ho lasa mpinamana anio. Efa manomboka miseho tsikelikely izany any an-dapa any amin’izao  hoe ny olona tena lehibe ao anatin’ny fitondrana no efa tonga saina na koa matahotra ny ho tratra farany anagamba, ka manomboka mamboly fihavanana amin’ny aty ivelany. Fotoana sisa andrasan’ny rehetra na ho ela na ho haingana, dia ho vaky tanteraka ny ady, ary hiseho ihany koa ny fanorenam-pihavanana hoe olona avy aty ivelany fatra-panenjika ny fitondrana no handeha hisonanina amin’ny seza hanadino ny vava be navoakany tany aloha. Mila ampoizina ihany ny tsy ampoizina fa amin’ny politika tsy misy ny hihavana mandrakizay, na koa ho mpifahavalo mandrakizay izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT