minitra monja hoe : raha izao Fitondrana izao no eo
amin’ny fanoherana ary mpitondra hafa no manao mitondra ny Firenena ao anatin’ny tsy fahombiazam-pitantanana goavana mihatra aman’aina tahaka izao dia mba inona no nitranga ? Nangina sy nilefitra ve ? Niandry fahataperan’ny fe-potoana iasan’ny mpitondra ve ? Sary inoana, fa mety efa niroso tamin’ny fanonganam-panjakana na ny mitovitovy amin’izany. Inona no tsy notsikeraina fahiny no tsy mitranga amin’izao ? Ny tanim-bahoaka hanaovana bodongerona izay betsaka no tsy misy fanonerana mazava, fahaleovantena ara-tsakafo no resahana kanefa ny tanimbary hihazakazahana totofana toy ny zava-mitranga iantsoan’ny vahoaka eny Laniera vonjy. Tonga hatramin’ny fitifirana olona raha ny tranga any Toliara noho ny lonilony mikasika ny tsy fankasitrahana tetikasa goavana mombana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Aiza ilay fidradradrana tamin’ny andron’ireo mpitondra teo aloha hoe : 1% fotsiny ny tamberiny, famonoana olona mihoatra lavitra noho ny nataon’i Hitler,… Ankehitriny, ampahoriana eto amin’ny taniny ny Malagasy, terena hisotro ny rano tsy tiana, hany ka izay mahita làlana hivoahana eto lasa. Dia iza no hanavotra ity tany ity raha hanao toy izany daholo ? Raha mpitondra hafa ve no nampitifitra sy nahafaty olona noho ny tsy fitovian-kevitra tsy efa raikitra ny an-kandoro sy an-kandroba,… ? Asa raha mba mijery fitaratra na minia mikipy sy mihevi-tena ho tsy maty manota mandrakizay. Ankehitriny, ny toekarena mitana ny rambony ny Firenena raha voalohany, tsy hoe miaina fahasahiranana fotsiny ny Malagasy fa miaina fampahoriana amin’ny endriny maro. Tsy loza voajanahary no manimba ny fiainana andavanandro, fa fampahantrana mipetrapetraka,… Politika manilika, fitsarana tsy mitovy lenta, toekarena manavakavaka, tanindrazana alaina an-keriny,... Tsy misy mpiaro sy mpiahy ny Malagasy, fa terena hanaraka ambokony ny didohan’ny mpitondra amin’izay maha diavolana azy, hany ka na efa mizotra any an-davaka aza tsy maintsy ekena. Mandra-pahoviana no hiaritra an’izao ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.