Edito

Ampianaro ny lalŕna !


  • Alakamisy 08 Septambra 2016

Fanahy iniana ve sa tandrevaka ? Hampirisihina hatrany ny vahoaka hamantatra ny lalŕna misy ao aminy kanefa na ilay lalŕna aza tsy ho takatry ny sainy na dia hovakiany eo ambany masony eo.


 Ny antony ? Voambolana tsy miteha-tany no sady miolakolaka no hitany ao. Lalàna amin’ny teny frantsay no adika amin’ny teny Malagasy ary dia toy ny fifaliana ho an’ny mpanao lalàna sasany mihitsy indraindray ny milaza fa “sarotra moa ny mandika teny amin’ny teny gasy”. Fa maninona moa no voatery ho teny sy lalàna mifanaraka amin’ny kolontsain’ny firenen-kafa no adika amin’ny teny Malagasy kanefa Malagasy no hampiharana ilay izy ? Tsy mahagaga raha sahirana ny mpamolavola tetikasa sasany mikatsaka ny hampandroso ity firenena ity amin’ny fitadiavana izay lafiny mba mampifandray ny lalàna sy ny kolontsaina misy eto amintsika ary zara raha mahita. Tsy mety amin’ny kolontsaina misy eto Madagasikara ny lalàna misy eto satria hatramin’izay ka hatramin’izao dia miainga avy amin’ny lalàna sy kolontsaina frantsay hatrany no namolavolana azy. Ny fampifanarahana ny lalàna amin’ny kolontsaina Malagasy misy no santatry ny vahaolana eto amin’ny firenena.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT