Edito

Ampanofaina marina ?


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

« Tsy amidy akory fa ampanofaina ny tany trandrahan’ny sinoa eny Soamahamanina. ».

Tahak’izay indray izao no fehezanteny hanasana ny atidohantsika mianakavy manoloana ireo fifanaraham-pitrandrahana isan-karazany mandritry ny taona maro manerana ny nosy izay nataon’ireo vahiny tamin’ny fitondram-panjakana malagasy. Na dia efa mazava aza ny lalàna fa izay manamaintimolaly ny tany mandritry ny taona maro dia lasa tompon’ny tany ho azy dia mbola misy sahy mitatatata ihany fa fampanofana no misy fa tsy fivarotana akory. Taona vitsy ve izany 40 taona izany ? Anjarantsika tsirairay no mamaly azy. Sao dia mba diso ary ny voalaza ao amin’ilay fifanarahana ? Sao dia 40 volana no izy fa tsy 40 taona ? Renintsika mianakavy ity Madagasikara ity, hoy ilay mpandinika iray izay. Naterany isika matoa lasa teratany teto. Efa vadin’i Madagasikara koa ny mpitondra antsika rehefa avy nanao fianianana ny hanasoa ity tanindrazana iombonana ity, hoy ilay mpandraharaha nilatsaka ben’ny tanàna farany teo izay ka tompon’andraikitra voalohany amin’ny zava-mitranga rehetra eto amin’ny fireneny ny mpitondra. Asakasak’izay sahy mivarotra na mampanofa ny reniny sy ny vadiny ka mahavita mijery azy fotsiny hoviravirain’ny vahiny. Ampanofaina marina ?

Faralahimatoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT