Ampandohalihana !

Ampandohalihana eo anatrehan’ny sotasota


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

politika sy ny herin’ny vola ny fahamarinana, ny lalàna, eny hatramin’ny aina aza.

Sanatrian’ny vava ny hoe : finiavana hamendrofendro fa tena mahaontsa ary mahavaky fo ny mahita sy mandre fa nodimandry i Ninie Doniah, re noho ny foto-keviny, noho ny fijoroany niady tamin’ny heveriny fa tsy rariny,… Mby aiza ny soatoavina Malagasy izay nanome hasina sy lanja ny fihavanana, nametraka ho ambony ny aina ? Satria ve manelingelina ny tombotsoan’ny matanjaka dia ny ainy no manefa ? Mandohalika tanteraka ny firenena satria izay tsy matin’ny fahantrana, ny hanohanana, ny tsy fandriampahalemana,… dia atelin’ny fahafatesana noho ny hetraketraka politika. Mby aiza ilay fanehoana ombieny ombieny fa olon’ny finoana, olon’ny fihavanana, olon’Andriamanitra. Moa tsy mba henjehin’ny eritrertra ve eo anatrehan’ny zavatra mamohehitra sy magohy hampanjakaina eto amin’ny firenena ? Mihevitra fa tompony sy masi-mandiny amin’i Madagasikara ka na efa betsaka aza ny zavatra tsy ara-drariny, manohintohina ny zo fototra mahaolona, manao taingim-bozona eo anatrehan’ny fahalemen’ny Malagasy dia mety foana ? Tsy miantso tody sanatria, fa tsy adala ihany koa ny Ntaolo miteny hoe : ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Tsy hisy fiadanana afaka hiorina maharitra eo ambony tsy fahamarinana sy alahelom-bahoaka izany, ary ekena fa mety milefitra sy manaiky io ankehitriny, saingy mety tsy ho zaka ny fipoahan’ny fahatezerany rehefa ho tonga tokoa ny tokoa !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT