Ampahantraina nefa terena ho sambatra!

«Tsy mahantra ny malagasy fa ampahantraina.»


  • Talata 26 Aogositra 2025

na koa hoe «Tsy mahantra i Madagasikara fa ampahantraina!».

Fomba fiteny hatrany amin’ny repoblika faharoa ny toy izany ary nitohy tamin’ny hoe «Tsy mahantra fa mafy ady!» taty amin’ny repoblika fahatelo. Rehefa midina ifotony eny amin’ny tena fiarahamonina ahitàna izany hoe tena fiainan’ny malagasy ahitàna 80%na olona mahantra, araka ny tarehimarika ankampoben’ireo sehatra iraisampirenena, izany ianao amin’izao repoblika fahaefatra izao dia ny hoe «Tsy mafy ady fa miady mafy!» ankehitriny no matetika heno eny amin’ireo mpitarika posy ireny, eny amin’ireny mpitarika sarety ireny, eny rehetra eny. Na eo aza izany ny fahoriana mafy mianjady aminy anatin’ity firenena voamarin’ny banky iraisampirena sy tahirim-bola iraisampirenena ho mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ity dia mbola manana fanehoana amin’ny alalan’ny zavakanto vita amin’ny teny na literatiora ny fananany fanantenana fa mbola hamiratra ihany ny ampitsony io malagasy io. Manoloana ny tontolom-piarahamonina tahaka izany ve no mahatonga ny filoham-pirenena malagasy ho sahy milaza fa mahantra nefa sambatra io malagasy io? Na tsy mihinana kaviara sy fromazy aza, hoy izy izay, dia mihinam-bary sy henan’omby. Firy isan-jaton’ny malagasy tokoa moa izao no mbola mihinam-bary in-3 isan’andro? Firy isan-jato izany mbola mihinan-kena izany? Mifandrify amin’izay, mba mitombo ve ny olona manana asa sa ireo very asa aza no tena mitombo andro aman’alina? Sao dia ny orinasa maty no mitombo be amin’ny afitsok’ity delestazy ity? Tsy iverenana intsony ireo very asa an’alin-kisa vokatry ny raharaha 2009 fa dia tsy mbola nisy naheno angamba aloha isika tato anatin’izay 16 taona izay hoe niha nilamina ny fandraharahana eto amin’ity Madagasikara ity. Tsy hoe mahantra fa sambatra kosa angamba no dikan’izany fa ampahantraina nefa terena ho sambatra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT