Edito

Amoron-tevana


  • Talata 30 Jona 2020

Amoron-tevana tsy misy arofanina ankehitriny ny fiainan-dRamalagasy manoloana ny adin-tsaina, mba tsy hilazana hoe horohoron-tsaina, aterak’ity taremarika momba ny aretina COVID 19 tsy mitsaha-mitombo ity.

 

 Efa naverimberina hatrany moa ny hoe arakarak’izay fitombon’ny isan’ny marary sy mamoy aina anefa no toa vao mainka aza hamahan’ny fitondram-panjakana miandalana ny fepetra. Inona tokoa ary izany no tena endrika fiahiana sy fiarovana ny vahoaka nataon’ny fitondram-panjakana tao anatin’izao lazaina fa ady izao? Inona no mba vokatra maha velom-panantenana ny amin’ny mety hiverenan’ny fiainana amin’ny laoniny tanteraka indray? Toa zary endrika fitondram-panjakana sady tsy afaka hiahy no tsy afaka hiaro ny vahoakany intsony hatrany ity no tazana isan’andro? Tsy vitan’izay fa toy ny zary manery an-kolaka ny fahafaha-mihary ihany koa anefa. Sahirana avokoa ankehitriny na mpitrongy vao omana, na mpiasa tsotra, na mpandraharaha madinika hatramin’ny mpandraharaha vaventy. Tonga amin’ny nambaran’ilay mpanao politika iray izay hoe ny mpitondra irery angamba sisa tsy marefo. Ny mpisehatra sasany amin’ny raharaham-pirenena aza moa vaka mihitsy manontany hoe fa ho aiza isika ity? Izay vahaolana avy amina firehana hafa rehetra saika tsy raisina daholo kanefa lazaina fa ady iraisana no atao. Maro ireo liana tamin’ny mety hisian’ny zava-baovao na vahaolana vaovao mahomby kokoa mihitsy ho ambaran’ny praiminisitra ny alahady teo saingy ny olona niteny sy ny fomba fanazavany fotsiny ihany tokoa angamba no niova fa ny votoatiny kosa dia saika ny teo ihany no teo. Nanaitra ny fandraisana andraikitra momba ireo fiara fitateram-bahoaka sy toeram-pisotroana omaly saingy ny hirariana dia ny hoe enga anie tsy ho toy ny vatsy tsinjo sy tosika fameno niha very an-javona teny an-dalana teny!

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT