Edito

Amnistia hampiady


  • Alatsinainy 20 Septambra 2010


Neken’ny mpizaika maro an’isa tamin’ireo mpifidy teny Ivato nandritra ny fihaonambem-pirenena fa dia famotsoran-keloka misy sivana (amnistie sélective) no hatao ary izay voaheloky ny fitsarana teo anelanelan’ny 2002 sy 2008 ihany no voakasik’izany. Voailika avy hatrany noho izany ireo rehetra voaheloka sy nigadra noho ny raharaha 2009 sy ny any aoriany rehetra. Io aloha no tapaky ny besinimaro dia izay no izy, hoy ireo mpivory teny Ivato. Tsy hiandry ny fijoroan’ny parlemanta moa ny fampiharana azy io fa baikon’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny didy hitsivolana avy hatrany. Hafaliana tsy omby tratra ny an’ireo nambara fa gadra politika navoakan’ny fitondrana FAT tamin’ny 21 martsa 2009 ka nanofana hotely teny Amboanjobe. Afaka hilatsaka hofidiana depiote indray mantsy ry zareo, ary misy mihitsy aza no efa manonofy ho filohan’ny Repoblika sahady.

Milamin-tsaina amin’izao fotoana, noho io resaka io ry jeneraly Fidy sy Pety Rakotoniana ary ireo manamboninahitra sasany niaraka taminy, voaheloka noho ny fikasana hanongam-panjakana sy hamono ny filoham-pirenena. Afaka misiotsioka koa i Voninahitsy Eugène voarohirohy tamin’ny tsindry aloka hahazoam-bola. Hadio tsy ho ela indray mantsy ny dosie momba azy ireo amin’izay dia tena nisy vokany tsara ho azy ireo ny fihaonambem-pirenena. Tavela tanteraka kosa ary tsy afaka ny hanohy ny lalana amin’ny sehatra politika i Marc Ravalomanana, satria ivelan’ny mahazo famotsoran-keloka ny vanim-potoana naha voampanga azy, no sady nambara fa tsy azo hamindrana fo, hono, izy satria nampamono olona sy nivarotra tanindrazana ary nanodinkodina volam-bahoaka. Ka eto no mipetraka ny fanontaniana hoe : tena hampilamina ny firenena sy ny fiarahamonina marina ary ve ny fandaniana iny famotsoran-keloka misy sivana teny Ivato iny ? Resy lahatra ve ireo tompon’antoka tamin’izany fa azo hiampitàna tsy misy raorao any amin’ny fampihavanam-pirenena ny zavatra tahaka ireny ? Nampisongadina ny tena fihavanana Malagasy marina ve ny fandaniana iny famotsoran-keloka iny ? Dia ahoana izany ny momba ireo rehetra nogadraina nanomboka tamin’ny 2009, izay tsy voatery ho namono olona sy nanodikodina volam-panjakana daholo ?

Maro loatra ireo fanontaniana tsy ahitam-baliny, izay afaka hanaporofoana fa : hampiady fa tsy hampihavana ny Malagasy velively ny zavatra tapaka teny Ivato, ary tena hametraka fizarazarana vaovao indray eo amin’ny samy Malagasy. Tsy azo atao maimaika ny fandaniana ity resaka famotsoran-keloka ity fa mila fandinihana lalina. Raha misy mijoro ho Raiamandreny marina, maninona no tsy nanao izay hampihaonina ireo noeritreretina fa nampiseho toetra tsy mendrika tamin’ny Malagasy aloha, dia asa na samy hiaiky ny nataony izy ireo ary mangataka ny famelan’ny vahoaka Malagasy ? Tsy hisy hanao fo vato ka handà izany. Ny heloka ibabohana anie mody rariny e ! Fa raha izao famotsoran-keloka amin’ny endriny mitanila izao dia azo antoka fa hiteraka krizy hafa, izay hisoko miadana any anaty fiarahamonina any ka ho zezika ho an’ny valifaty vaovao, hafa indray afaka taona vitsivitsy. Tsy mahasoa antsika velively izany.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT