Tsy afaka ny hamory vahoaka anaty kianja na eny an-dalambe intsony ny mpanohitra amin’ity taona ity. Izay no azo amintinana ny fanambaran’ny manampahefana FAT. Voalaza mantsy fa tsy azo atao mihitsy aloha ny manao fivoriana politika mandra-pivoakan’ny voka-pifidianana ofisialin’ny fitsapan-kevi-bahoaka, izay ny HCC no hamoaka azy, ny 17 desambra ho avy izao, araka ny resaka mandeha. Herinandro aorian’io dia efa hankalaza ny nahaterahan’ny mpamonjy indray ny mpino kristianina, dify herinandro aorian’izay indray dia migadona ny 31 desambra, andro farany amin’ity 2010 ity. Eo anelanelan’ireo daty voalaza ireo dia azo antoka fa hameno tanàna, indrindra fa eto an-drenivohitra indray ny «Bazar de Noel» sy ny «Bazar de fin d’année» ka ho hentitra araka ny fomba filazan’ny manampahefana azy ny fitandroana ny olona sy ny fananany ka tsy azo hamindrana fo mihitsy ireo izay mivorivory etsy sy eroa hiresaka politika, fa tonga dia hampiharana ny lalàna avy hatrany.
Ka hanao ahoana indray izany no ho tohin’ity raharaha politika eto Gasikara ity, hivaha mialoha ny krismasy ve ny krizy, sa dia hijanona hiara-mifety amintsika eto ireo iraky ny SADC ! Mety misy fanantenana ihany ve amin’ilay fanelanelanana mety iarahan’ny FFKM sy ny CNOSC manatanteraka ka hahato ilay tenin’ny soratra masina efa noraisin’ny FFKM ho filamatra tamin’ny fotoan’androny manao hoe : «izay mahay mampihavana no tena zanak’Andriamanitra …». Hifarana ihany ity ny taona saingy indrisy fa tsy mifarana ny krizy, hoy ireo olon-tsotra efa trotraky ny adin-tsaina sy leon’ny sangodim-panina politika. Ho an’ny Malagasy amin’ny ankapobeny dia famintranam-pihavanana ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny taona, ka eo no mifamangy sy mifampirary soa ary mandamina izay mety disadisa sy tsy fifankahazoana rehetra ny fianakaviana. Ary dia arahana amin’ny fiaraha-misakafo moa izany. Fa hanao ahoana kosa ireo mpanao politika ? Afaka ny hifampiresaka sy hifampihavana ve izy ireo sa tsy mieritreritra afa tsy ny fanenjehana sy ny valifaty ihany ? Sarotra ny vinavina, ary manahirana ny mieritreritra ny hifety milamina raha toa ka mbola manjaka eto amin’ny firenena ny fifampiandaniana sy ny fifandrafesana eo amin’ireo mpitarika. Mandeha ny resaka nanomboka tamin’ity herinandro ity fa toa hoe misy vonona ny hampangina ny hambom-pony ary tena handefitra mba hilaminan’ny raharaha ireo mpanao politika sasany.
Dia hanao ahoana ny hafa, hanara-dia izany ve sa sanatria hanao tsindrio fa lavo ? Ary ahoana ny momba ireo any am-ponja ? Hifety any marina ve fa amin’ny 25 janoary any ho any indray vao hahita an’Anosy ? Raha vao migadona tahaka izao ny volana desambra dia ny fanomanana ny fety no masaka ao an-tsain’ny olona ka mety hahazo rariny ihany ny fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra amin’ny fanakanana ny hetsika politika an-kalamanjana rehetra. Kanefa lasa ihany ny saina aman’eritreritra hoe : vao manomboka indray ve izany ny taona 2011 dia ho raikitra ny gidragidra, satria hanomboka ny raharaham-pitsarana ireo sivily sy miaramila, mety mbola hiverina indray ny grevin’ireo sendika isan-tsokajiny, ary tsy maintsy hitondra ny olony eny an-kianja amin’izay ny mpanohitra satria, sady efa tsy misy fifidianana intsony no efa lasa ny fety. Ho hita eo indray !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.