Edito

Amin’ny anaran’ny mangarahara


  • Alatsinainy 31 Mey 2010


Mazava izany izao fa dia lasan’ny Sinoa ny fitrandrahana vy ao Soalala. Dia nambaran’ny mpitondra mahefa ankehitriny ho ren-tany ho ren-danitra fa vola be mitentina zato miliara dolara no hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana amin’izany. Tetsy ankilan’izay anefa, na dia nafenimpenina tsy nambara ofisialy aza dia tsy takona afenina intsony fa any Sina ihany koa no anondranana ireo andramena na “bois de rose” Malagasy. Ny fanontaniana manitikitika ny maro  ary dia ny hoe : amin’ny anaran’ny mangarahara, izay nilokalokan’ny mpitondra ankehitriny teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, ohatrinona marina ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny fitrandrahana io harem-pirenena io tao anatin’izay 15 volana izay ? Heverina mantsy fa tsy ny nanafoanana ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona izay andrim-panjakana natao hanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka no hanarontsaronana ka tsy hisian’ny mangarahara momba ny fitrandrahana ireny andramena ireny. Amin’ny anaran’ny mangarahara, aiza raha mbola any, ary ahoana ny vola raha efa namidy ireny volamena naondrana an-tsokosoko ka tratra tany ivelany tany ireny ka naverina an-tanindrazana ? Harem-pirenena mantsy izy ireny ary manan-jo hahalala ny vaovao marina amin’izany ny vahoaka malagasy. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT