Ambony atody tokoa!

Toy ny mandeha ambony atody


  • Alakamisy 26 Martsa 2026

aho amin’izao fotoana izao,

hoy ny filohan’ny fanavaozana, andro vitsivitsy taorian’ny nandraisany fahefàna. Inoana fa efa tsy miafina amin’ny mpanara-baovao sy ny sarambabem-bahoaka tokoa ankehitriny ny geja mahazo ireo sehatra rehetra misy eto Madagasikara tao anatin’izay 17 taona fara-faha kely izay. Voageja na «monopolisé» daholo, hoy ny filazan’ny filohan’ny fanavaozana azy vao tsy ela izay. Nisy fotoana nipetraka teny anivona sehatra samihafa tokoa, na sehatra politika io na fiarahamonim-pirenena na fikambanana samihafa, ny fanontaniana hoe «sao sanatria efa lafo tanteraka aza ity Madagasikara ity?». Firy isan-jaton’ny tany eto Madagasikara sisa no antsika malagasy? Iza no tena mibahan-toerana ny fitrandrahana volamena, ny harena ambonin’ny tany na ankibon’ny tany na an-dranomasina sy rehefa mety ho harenan’ity firenena ity amin’izao fotoana izao? Efa ela no nipetrahan’izany fanontaniana izany ary efa samy manana valinteny any an-tsainy any daholo izay mandinika rehetra matoa mahatafavoaka fifandraisana antony sy vokatra na ilay antsoin’ny vahiny hoe «relation de cause à effet» toy ny hoe midangana loatra na maro loatra hatramin’izay ny hetra alaina mpandraharaha malagasy, ohatra, nefa ny mpandraharaha vahiny mahazo vahana tanteraka manao ny tiany atao. Isan’ireo firenena miisa 7 be harena voajanahary indrindra eto ambonin’ny tany ilay Madagasikara nefa mahantra indrindra ny vahoaka ao aminy. Tsy voatery ho manam-pahaizana na mpandinika sy mpamakafaka intsony tao anatin’izay 10 taona farany izay dia efa mahadinika an’izany sy ny hoe efa tena tafahoatra ny fahalovana amin’ny fitantanan-draharaha eto amin’ity firenena ity. Niara-nahita isika omaly ny fiandrasana ny fivoahan’ireo mpikamban’ny governemanta. Samy nametra-panontaniana hoe maninona aza no lasa toy izao foana no fitrangany? Tsy hisy afaka handà angamba hoe firenena tanaty fahantrana lalina sy marefo no nampidirana vakisiny antsoina hoe «fanavaozana» aloha nanomboka ny volana oktobra 2025. Ny nirariana tao anatin’izany, indrindra, ho an’ireo hoe nitolona tao anatin’izany dia ny ahatongavan’ny antsoina hoe «fanovàna». Ambony atody tokoa angamba nefa hatreto aloha no diavina ka dia hoy ny fitenenana hoe herezo ny dia! Ho tody soa anie!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT