Dia ho sanatria ve kabary ambony vavahady tahaka ny fanao ao anatin’izao tetezamita izao ny nanambaran’ny filohan’ny FAT fa vita amin’ny 31 jolay ho avy izao ny lisi-pifidianana ?
Raha ny zava-misy aloha dia tsy hoe nahavita fahagagana be ilay rafitra vaovao nateraky ny fanapahan-kevitra navoaky ny filankevitry ny minisitra fa dia mbola mipoitra ihany ny olana isan-karazany amin’ny fakana ny anaran’ny mpifidy. Mety maro ny antony mahatonga an’io. Ny nanaitra dia ny hoe : misy mihitsy ny olom-pirenena tsy mety mameno ilay taratasy fanisana tsotra izao, izany hoe mitsipaka avy hatrany izao tetezamita izao sady tsy handray anjara amin’ny fifidianana. Efa fanoherana amin’ny endriny mivantana izany ary mampiseho ny fahasosoran’ny olona sy ny tsy fahatokisany ny FAT sy ireo mpiara-miasa aminy. Fambara loza izany ho an’ny fitondrana iray ary tokony hampieritreritra ny manampahefana amin’ny fanapahan-kevitra tokony horaisiny. Ny mahagaga dia hoe aorian’ny 31 jolay vao havoaka ny datim-pifidianana. Inona no anton’izany ? Mbola hamarinina tsara ve fa ao anaty lisitra tsara ny akama, na vitsy an’isa ao ny mpifanandrina amin’ny tena ? Moa ve miankina amin’ny isan’ny mpifidy ny fisafidianana ny fifidianana atao mialoha ? Sa hantahantan-jaza fotsiny ? Na ahoana na ahoana fanazavan-kevitra eo dia samy mahalala ny rehetra fa misy politika avo lenta ao ambadik’io datim-pifidianana io fa mbola mikaroka tsara ny fomba hitenenana azy amin’ny vahoaka, ka manomboka mitety faritra indray aloha.
Dia mbola voaporofo amin’izao fa maro be ny kitoatoa ataon’izao fitondrana tetezamita izao ary tena lasa tahaka ny an-kiafina, kilalaon-jaza fanalan’andro fotsiny ny fiainam-pirenena. Laniana maimaika ny lalàna mifehy ny fifidianana, amboamboarina ny lisi-pifidianana, dia izay vao miantso ny mpifidy sy mamoaka ny daty. Efa ripaka ny boaderôzy izay vao mivory etsy sy eroa ny olom-boatendry ao amin’ny CT sy CST fa mila fanadihadiana manokana, hono, ity raharaha ity kanefa ny fiarovana ny akama no tena masaka ao an-doha.
Dia ambara avy eo fa hovarotana amin’izay ireo hazo sarobidy notahirizina etsy sy eroa, dia hisy hividy ambongadiny dia haondrana indray ve ? Misafotofoto be ihany ary tena ambony ambany ny zava-misy eto amintsika ary tsy afaka manilika ny rihitra any amin’ny hafa intsony ny FAT fa tompon’andraikitra feno amin’izao fahasahiranana sy fijalian’ny vahoaka izao. Tsy mahay mandamina, tsy mahay mampihavana, tsy mahay... mitondra tsotra izao raha ny fahitana ny FAT milaza fa tompon’ny fahefana, dia izao mikorontana ambony ambany izao isika Malagasy, tsy fantatra intsony na lalàmpanorenana na sori-dalana na dina na revirevy no itantanana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.