Edito

Ambonin’ny lavitra ezaka


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Raha noheverina hatramin’izay fa lavitra ezaka ny fanarenana ity firenena ity dia hita ho ambonin’izany kosa, izany hoe,


 ambonin’ny lavitra ezaka mihitsy ny toetsaina politika enti-mitondra sy manarina izany firenena izany. Lasa mampametra-panontaniana ankehitriny hoe dia ho sanatria ve ho lasa kolontsaina politika eto ny fihazakazahana hiditra anaty fitondrana mba hahafahana manindritsindry ny hafa na sanatria manao tsindrio fa lavo mihitsy ireo heverina fa fahavalo politika hatramin’izay? Na koa hoe fifamoronana na fitsirihina faran’izay zokiny ny dosien-dRakoto na Rabe na Rasoa na Ravao ahafahana mamatotra azy tsy hihetsika firy anatin’ny fampandrosoam-pirenena na dia mety ho ao anatiny ihany aza ilay finiavana hampandroso ity firenena ity? Rehefa tsy izay izany dia fifaminganana ao an-dapa no andaniana andro fa tsy misy iraharahian’izay mahazo fitondrana an’izany fampivoarana ny fiainam-bahoaka sy fampandrosoam-pirenena izany. Na ny bitika indrindra, na ny heverina ho vaventy indrindra amin’ny raharaham-pirenena amin’izao dia io iaraha-mahita io fa samy tsy misy tokontaniny intsony. Manomboka any amin’ny resaka vidim-piainana midangana izany, ny tsy fandriampahalemana, ny faharatsian-dalana hatramin’ireo avo lenta toy ny fitantanana ireo harem-pirenena tahaka ny volamena sy harena voajanahary hafa. Adino tanteraka ny fanontanian’ireo mpanao politika hafa efa lasan-ko razana toy ny hoe “Mbola mety hisy hipetrahan’ny tongotry ny Malagasy ve eto afaka 10 taona?”. Aiza izao ny tohin’ny raharaha nosy Malagasy? Manoatra noho ireny olo-malaza anaty sarimehitsika vahiny na mpihira malaza iraisampirenena, izany hoe “people” ireny ny ankamaroan’ireo mpitondra Malagasy ary toy ny nandeha ambaratonga mihitsy ilay tranga niteraka laza sy toy ny niniana hampalaza azy ireo. Nifanesy aloha ny tranga niseho tamin’ireo mpikamban’ny governemanta izay niendrika zava-mamoha henatra na “scandale”, hoy ny filaza azy izay. Niseho tamin’ny alalan’ny fanehoan-kevitrana solombavambahoaka sasany ny tsy fifanarahan-tsaina eo amin’ireo samy mpanaradia ny fitondrana ary dia mbola niampy iny resaka depiote sy mpampianatra nifamaly iny moa. Lasa nalaza tampoka daholo izay voakasik’izany rehetra izany saingy nampandroso ny fiainam-bahoaka ve ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT