Edito

Amboletra


  • Alakamisy 04 Novambra 2010


Dia mbola ny omaly tsy niova tsy mahay mandray lesona amin’ny tantara ihany ny FAT ka midedaka amin’ny alalan’ny filohany fa tsy misy miverin-dalana izany hono. Dia gaga ny zana-bahoaka hoe mba manana fahasahiana tsy roa aman-tany kosa ireto mpitondra tetezamita ireto ka. Efa mikorontana ny ao an’efitra, vaky ny vilany ao an-dakozia, tapa-tongotra ny latabatra, miady laoka ny ankizy dia mbola ambara ihany fa milamina ny fiainana fa fomban-javatra izany ka tsy misy tokony hatahorana. Dia omena tsiny foana ny olon-kafa avy any ivelany, ka ambara fa noho izy ireo no nampikorontana ilay tokantrano. Tsy mety resy lahatra mihitsy izy iray trano ao fa mba misy zavatra hafa mahasoa ihany koa anie avy any ivelany e ! Ary tsy misy manana ny marina tanteraka fa mifameno sy mifanampy eo. Mazava izao ny raharaha fa tsy mahavita mandamina ilay tokantranony mihitsy ilay raim-pianakaviana, satria mbola tanora saina loatra ka misy fetrany ihany ny zava-bitany ary tsy dia azo antenaina firy izy amin’ny zava-tsarotra. Ka rehefa tratran’ny ny fahasarotana ny olona tahaka izany dia ny vavabe sy ny fampanantenana ary ny fanomezan-toky no ataony misimisy.

Dia tahaka izany tantara kely tsotsotra izany no zava-misy iainan’ny firenena amin’izao fotoana,  tsy mety tonga saina mihitsy ny FAT fa miha sarotra ny fiainan’ny vahoaka ary efa leon’ny hamafisan-dohan’i Andry Rajoelina ny olona. Mikatso avokoa ny zava-drehetra, noho ny tsy fahafahan’ny mpitondra sy ny mpitantana mifehy ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny seha-pihariana maro samihafa. Dia lazaina foana fa misy ambadika politika ireny zavatra ireny. Raha marina tokoa ary izany dia nahoana no tsy vahaolana politika iarahan’ny rehetra no aroso sy ifampidinihana fa tsy manao an-kiafina amin’ny resaka fifidianana izay efa tsinjo dieny izao fa tsy hamaha ny krizy ary vao mainka aza hampitombo indray ny elanelana eo amin’ny samy malagasy. Fa tena adala daholo ve izany ny olona rehetra amin’ny FAT ? Fa ry zareo irery no hendry sy manana ny marina ? Tena mahagaga ny fahasahian’ireo manampahefana mitety faritra sy mizara vola ary miezaka ny mividy ny safidin’ny olona tsotra izao ; tsy mbola nisy ny tahaka ity hoy ny tambanivohitra iray, satria tsy miafina na miseho amin’ny endrika an-kolaka ny fividianana ny safidin’ny vahoaka fa tena atao hita mibaribary ary tena ampitenenina ny vola.

Sahiran-tsaina arak’izany ireo mponina eny ambanivohitra izay matahotra fanjakana amin’ny ankapobeny ka mety hanaraka am-bokony ihany fa tsy te hanana olana. Fantatry ny FAT tsara izany ka izay no anton’ireo fitsidiham-paritra marobe.Fifidianana amboletra no tadiavina atao eto, ary tsy miraharaha izay mety ho vokany ny FAT, izay manohana manohana izay manohatra gadraina rehefa tena manahirana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT