Edito

Ambohimanidina


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

« Ambohimahadizina no tanànan’ialahy », hoy ny artista tamin’ny taona 2009 fa rehefa zohina kosa ankehitriny ny ataontsika sy ny fihetsitsika ary ny zavatra ataontsika rehetra dia hita fa tsy misy tetikasa miteha-tany intsony izay mivoaka rehetra fa toa mampanonofy ihany fotsiny sisa.

 

 


 Malaza hatrany hoe fasana tetikasa i Madagasikara mandrak’ankehitriny kanefa dia arakaraky ny iverimberenan’ny tsikera no vao mainka ipoirana tetikasa marobe izay efa aharihary amin’ny sarambabem-bahoaka mihitsy moa hoe tsy ho tontosa ato ho ato. Eo ny fisandratana 2030 an’ny filoham-pirenena izay efa mahakivy mihitsy no mieritreritra azy satria na dia antonona hitadiavam-bahaolana maika aza ny tenany dia io hatrany no ventesiny. Ny filohan’ny tetezamita teo aloha koa moa tetsy an-kilany namoaka ny vinam-pisandratany ary ny azy tsy hoe mila hery vaovao tahaka ny an’ilay iray fa hoe mila rivo-baovao, hono, (nouveau souffle) ny firenena. Izany ve no antony nanolorana an’ity tetikasa ity tany Parisy amin’izay rivotra parizianina mihitsy indray no hiaingana. Dia hanidina any Parisy daholo izany isika mianakavy ? Ny an’ny sasany moa dia efa mivoana mihitsy satria dia hoe mila averina amin’ny maha tanin’olo-mahatoky (pays des hommes intègres) namantarana azy hatramin’izay, hono, i Madagasikara. Tanin’olo-mahatoky izay mira hoe Borkina Faso. Hiala amin’ny dika mitovy ny lalàmpanorenana frantsay ve izany dia hiditra amin’ny dika mitovy ny lalàmpanorenana borkinabe ? Sady efa tsy mandinika ny tantara izany ny mpanao politikantsika no tsy miteha-tany ihany koa fa efa any Ambohimanidina daholo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT