Edito

Ambohikobaka mampiady Ambalambahoaka


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

« Tsy misy ny very, tsy misy ny niforona, mifamadibadika ny singa rehetra. ». Tenina manampahaizana ikoizana teto ambonin’ity tany ity io ary azo lazaina fa fototra hiorenan’ny taranja rehetra ampianarina any amin’ireo sekoly misy eto amin’izao tontolo izao ihany koa.

 

 

 Rehefa niaraha-niaiky hatrany amin’ny faha grika fa rafitra avo lenta ny atao hoe politika dia tsy afaka ny hiova mihitsy izay. Ny fomba fisehon’izany fotsiny no mety ho samy hafa fa amin’ny ankapobeny dia tsy maintsy misy foana ny atao hoe mpitondra na mpitarika sy ny entina na tarihina. Eto Afrika moa izany dia tsy mety tafala aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika mihitsy ny hoe manao fitaovana ny entina ny mpitondra na koa hoe manao fitaovana ny vahoaka madinika ny mpanao politika. Toy ny tamin’ireo loharanona krizy rehetra nifanesy rehetra ihany toy ny tamin’ny taona 1972, 1991, 2002, 2009 dia tsy maintsy misy foana ny mpanao politika mpanao kobaka am-bava. Mampanantena, milaza abobo, mamendrofendro sy mikitika ny fon’ny vahoaka mba haharesy lahatra azy ho any amin’ny tanjona irian’ireo mpanao politika izay tsy mitady afa-tsy seza matetika. Mandeha ny fifidianana dia ny vahoaka no sarihiny hifandramatra sy hifanao totohondry fa ireo mpanao politika heverin’izy ireo mifanao sakay sy maso anefa mifanoroka sy mifandom-bera rehefa mifankahita. Ianao no sarihiny tsy hanaiky ny valim-pifidianana eny amin’ny HCC sy hitaky ny fanafoanana izany. Izy ireo anefa dia mampametra-panontaniana hoe iza no mpamatsy ireo lazaina ho tolona tarihiny ary toy ny felaka tehamaina mora adinon’ny Malagasy ? Satria moa isika malaza ho mora manadino, ny mahita azy ireny mahazo seza avy eo ary tsy mahatsiaro antsika akory. Dia mampiady ny eny Ambalambahoaka toy izany foana hatramin’izay ny teny Ambohikobaka teny mba hahazoany fahefana. Sanatria ny vava ve dia mbola ho roboka amin’izany paikady efa lomorina izany hatrany isika Malagasy ankehitriny ? Tsy ferana tokoa ny hoe mety manome sandany ny fijorojoroanao miaraka aminy eny amin’ireo andrim-panjakana hitokonany ireny hoe “mpitari-tolona” ireny saingy tsy hahafaha-manavotra ny hoavintsika sanatria ho potika anefa ireny.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT