Edito

Ambodin'Isotry Sarona ny toaka gasy 12 «bidon»


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Manomboka miparitaka eto an-drenivohitra indray amin'izao ny toaka gasy avy any amin'ny faritra. Noho ny hatsiaka no mahatonga izany ka mampandeha be ny tsena. Vokany, lasa mitombo indray ireo fianakaviana mivelona amin'izy io.....

Zava-pisotro izay marihina fa voarara ny fivarotana azy eny rehetra eny. Toaka gasy tamina “bidon” lehibe 12 isa, miaty 260 litatra no saron'ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny tetezan-dRamala ambodin'Isotry ny sabotsy maraina lasa teo. Nafangaron'ny tompony tamin'ny saribao izy ireo ary noheveriny fa tsy ho tratra. Noho ny fampitam-baovao avy tamin'ny olon-tsotra anefa dia sarona soa aman-tsara ireo toaka gasy ireo.Na izany aza tsy mbola fantatra marina izay tena tompony. Tsy fantatra ihany koa ireo niray tendro taminy ka nahatonga ireo toaka gasy ireo teny an-toerana. Efa eo am-pikarohana ireo atidoha nikotrika ireto toaka gasy saika hamidy eto an-drenivohitra ireto ny mpitandro ny filaminana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT