Efa nisy tsirim-panantenana ny ahitan’i Madagasikara ny anjara masoandrony amin’ny fanarenana ny toekarem-pirenena sy famerenana ny fitokisan’ny mpamatsy vola, indrindra tamin’ny nahavitana ny ampahany betsaka tamin’ny tondrozotra.
Ankehitriny, miverina ho maizina indray ny hoavin’ny firenena noho ny fikorontanana anaty. Vao omaly no naneho ampahibemaso ny ahiahiny indray ny banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana ny amin’ny tsy fisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ka mahatonga ireo mpamatsy vola misalasala amin’ny fanampiana an’i Madagasikara. Mitombina ny ahiahin’ny mpamatsy vola satria raha hanangana orinasa eto Madagasikara dia tsy ho azo antoka mihitsy ny fanajan’ny fanjakana misy atao fifandimbiasam-pahefana. Raha miova ny mpitondra dia miova koa ny sata. Tsy misy ny fitohizan’ny fitantanana ary io olana miseho amin’ny tanin’i Dada Ravalomanana io no ohatra mitohoka amin’ny tendany ny fakan’ny fanjakana an-keriny ny tany. Dia iza no mpamatsy vola hanorina zavatra eto ka hanaiky hatao toy izany ? Etsy an-kilany, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta midradradradra ny fanajana ny lalàna sy miantso mpamatsy vola kanefa hanaovana ramatahora sy fanamparam-pahefana ny orinasa Tiko. Mijery antsika izao tontolo izao ka raha ny zava-misy dia efa mahazo manamboatra saina isika Malagasy fa tsy hisy olona hiditra hampiasa vola amin’ny tany izay anjakazakan’ny mpitondra fanjakana mpibodo tanin’olona sy mpanao kolikoly toy izao mihitsy.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.