Edito

Amboadia mitafy hodi-janak’ondry !


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Mirarakopana hatrany ny teny mamy ataon’ny mpanao politika. Samy milaza ho tia tanindrazana ary mampanantena fampandrosoana sy famirapiratan’ny firenena mihitsy ny ankamaroan’ireo ho kandida ho filoha e !

 Tena nilatsahan’ny fanahy masina fa toa lasa manana toetran’Anjely tampoka teo angamba izy mianakavy, fa dia tena milaza ny hanao zavatra avokoa rehefa homen’ny vahoaka fahefana hitantana an’i Madagasikara, hono. Mety ao ihany ilay hevitra sy fomba fisaina hanasoa ny tanindrazana, saingy mahery loatra angamba ny devoly matoa izay tonga teo toa maro no nandiso fanantenana satria iray na roa teo hatreto no tena mba nahitana tara-pahazavana somary lehibe ho an’ny Malagasy ny nitantanany ny firenena, saingy narodana sy nopotehina tao anatin’ny fotoana fohy monja ny fototry ny fampandrosoana efa niainga, ka nampilentika ny anjara masoandron-dRamalagasy mandrak’androany. Tsy fitsarana ivelany fa toa maro ihany no toa amboadia mitafy hodi-janak’ondry amin’ireto kandida. Ny efa namotika sy nandoro ny efa nitsangana ve dia heverina fa mbola afaka ny hanangana amin’izao kanefa fony teo nameno paosy no natao ? Milaza fa tia tanindrazana ireto mpanao polifika, saingy tsy mahay mifandamina sy mifandrindra fa miady sisika noho ny fitiavam-pahefana sy fitiavan-tseza diso tafahoatra. Ny azo antoka aloha dia maro ny manam-bola be tsy fanta-pototra na madio na maloto holaniana amin’ny fifidianana. Raha tia tanindrazana ve tsy tonga dia manasoa vahoaka mivantana amin’ny alalan’ireny e ? Mety ho an’aliny miliara no hihodina eo, saingy handomana tapany handoavan’ny Malagasy erany aloha no tanjona kanefa raha ireo miady saritaka hahazo fahefana ireo no  miezaka manao fifaninanana masina sy madio hanasoavana ny vahoaka sy ny firenena tsy ho toy izao isika. Nofy antoandro izany hatreto !

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT