Sanatrian’ny vava toa zary Firenena ambinin-doza isika raha jerena amin’ny
fahoriana mihombo andro aman’alina. Tsy finiavana hisintona lakolosy fa tena betsaka lavitra noho ny Israelianina maty vokatry ny ady mahery vaika sy ny daroka baomba ifanaovany amin’ny Iranianina ny Malagasy maty sy lavo noho ny tranga samihafa, toa io fahapoizinana ara-tsakafo mahery vaika izay tsy mijanona eto Antananarivo ihany io, fa misy aina nafoy ihany koa any Mahajanga. Misy tranga ihany koa any Toamasina izay misy olona 6 naiditra hopitaly vonjimaika vokatry ny fihinanana godrogodro, hoy ny fampitam-baovao vonjimaika. Sesilany ny loza sy fahoriana, tsy mba misy andro mamiratra,… Izay tsy matin’ny fahapoizinana matin’ny jiolahy, matin’ny fahantrana, matin’ny aretina,… Mety hilaza ny mpitondra fa tsy misy hidiran’ny Fanjakana ireny, trangam-piarahamonina fahita,… Fa moa ve mahomby ny politika ara-pahasalamana eto ? Afaka mitsabo tena ara-dalàna ve ny olona sa izay tsy manam-bola dia ankinina amin’ny vintana sy anjara isa ? Tena mahomby ve ny politika ara-toekarena ahafahan’ny olona miasa, mampiakatra ny fahefa-mividy ? Amin’izao vanim-potoana mivaivay izao, mbola laharam-pahamehana kisadasada no betsaka izay zary lasa fanesoana vahoaka. Anjara asan’ny Fanjakana ve ohatra ny mampanantena sy milaza hanao Hotely kintana 5 miisa dimy ? Hanaovana serasera mafy fa milamina ny fanomanana ny fihaonan’ny SADC fa tena misy zavatra antenaina ho an’ny Firenena sa kirendrarendra amin’ny vahiny izay handaniam-bola tsy toko tsy forohana no betsaka ? Sao mba efa mihoatra ny fefy sy tafahoatra e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.