Asa lahy na fifandrifian-javatra ihany izao karazana loza mahazo ny Malagasy izao na antony hafa mihitsy. Vaovao ny taona ary vaovao ihany koa ny mpitondra ny firenena amin’izao fotoana izao.
Fiainam-baovao tsaratsara kokoa no antenain’ny rehetra, saingy indrisy fa toa zava-doza samihafa no miseho eto amin’ny firenena. Fety tamin’ny alalan’ny fanapoahana afomanga teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana no nokasain’ny fanjakana vaovao hampifaliana ny ambanilanitra ny takarivan’ny fiainianany, saingy indrisy fa loza mahatsiravina no namarana iny takariva iny, izay namoizana ain’olona am-polony. Toa hatramin’ny nitsanganan’ity fanjakana vaovao ity no toa nioty loza izany ny olona. Marina fa efa mpiseho isan-taona ny fahavaratra, saingy tamin’ity aloha vao nanomboka, dia efa tena nampihoro-koditra sy nanamaloka tanteraka ny fiandohan’ny taona. Toerana maro sahady no dibo-drano, kanefa mbola tsy rivodoza no mamely. Ankoatra ireny, sesilany ny karazana toe-javatra mampiahiahy, toy ny resaka fahaverezan-jaza na ankizy saika ho isan’andro. Inona no ao ambadik’ireny? Ao ny mihevitra fa resaka halatra taova no ao ambadika; ao ny mamaritra fa ditran’ny ankizy tsotr’izao,… Ny tsy azo lavina dia miaina ao anaty horohoron-tsaina ny ankamaroan’ny olona eo anatrehan’ny toe-javatra iainany amin’izao fotoana izao. Ny manao zavatra anefa tsy mora, ary tsy afaka hitsarana ny mety ho afitsok’ilay fanjakana ny roa na telo herinandro. Ny zavatra azo hitsarana azy kosa aloha, dia efa maromaro ihany ny karazana laingalainga sy fivadibadihan-kevitra ary toa tsy hita be ihany izay tena laharam-pahamehana, fa ny ho avy no hitsara. Enga anie mba tsy ho santatry ny zavatra hiainan’ny Malagasy ao anatin’ny 5 taona izao zava-doza sesilany izao. Ny hamisavisana ny ratsy tokoa mba hiavian’ny soa ka enga anie mba lasan’ireny ny ratsy rehetra e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.