Voninahi-pirenena no tandrovana amin’izao fandalovan’ny fihaonamben’ny frankofonia eto amintsika eto izao dia samy milaza avokoa ny rehetra fa aleo aloha milamina, mitony,
ampirimina vetivety aloha ny likilikim-po. Na ny avy eo anivon’ny mpanohitra aza dia nilaza omaly fa tsy ny firenena frankofonina no nahatonga ny olana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana fa ny fitondrana mijoro ankehitriny. Noho izany, tsy misy antony tokony hanelingelenana ity fihaonambe ity. Efa nangataka koa ny avy eo anivon’ny fitondrana ny hitonian’ny rehetra manomboka anio madritry ny 5 andro. Tokantrano tsy ahahaka, hoy ny fitenenana. Dia mbola samy hifampihatsaravelatsihy kely eto indray aloha izany hanehoana amin’ireo vahiny fa milamina tsy misy raorao ny tokantranontsika. Na dia ezahana mafy aza anefa ny manakona ny disadisa, omaly ihany dia efa tomaratra ny ambadiky ny tsy hita maso. Nivoaka ny teny hoe raha tsy mandray fepetra aorian’ny frankofonia ny fitondrana. Ao ambadik’io teny io ny fanontaniana mipetraka dia hoe inona ilay fepetra takiana ? Fa naninona no nisy fivoriana manambana be tahaka iny omaly, izay ankatoky ny frankofonia? Ny antony dia satria… misy ambadika ny hita maso ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.