Edito

Am-bavahoana


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Na iza na iza dia samy am-bavahoana, hoy ny tononkiran’ilay mpanakanto ara-pilazantsara iray izay. Arakaraky ny fivoaran’ny siantsa sy izay heverina ho fahaizan’olombelona no toa vao mainka mampihena ny androm-piainan’ny ety ambany masoandro.


 Ny boky rehetra mirakitra ny tantaran’izao tontolo izao dia saika nahatarafana izany daholo. Mbola tsaroana hatrany koa ny tenin’ilay mpanao politika mpomba ny fitondrana 1 izay hoe tsy isika malagasy ihany no miha sahirana fa izao tontolo izao mihitsy. Toa te hilaza an-kolaka izany hoe tsy an’ny mpitondra antsika ny hadisoana raha toy izao no toerana misy antsika ankehitriny fa an’izao tontolo izao mba tsy hilazana hoe an’ny sehatra iraisampirenena.  Efa ampy hiononantsika izany ny zava-misy satria mitovy amin’ny rehetra ihany isika. Na hiha hahantra fara idiny daholo aza ny olom-pirenena rehetra tsy olana fa ampiakarina ihany ny galonan’ny manamboninahitra afaka miaro ny seza. Tononina isan’andro fa miha sahirana ny malagasy. Maty noana ny any atsimo. Rehefa aravina dia am-bavahoana ny faharavana tanteraka ny firenena satria sady manampy trotraka ihany koa ny fandripahana ny harem-pirenena rehetra ambonin’ny tany na an-dranomasina na an-kibon’ny tany miampy ny firongatry ny kolikoly izay mitombo isan-taona. Eto izany tsy ny olombelona fotsiny intsony no ambavahoana fa ny firenena iray manontolo mihitsy kanefa dia hoe misandratra, hono.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT