Edito

Aleo tsy mihatsavelatsihy e !


  • Talata 31 Janoary 2017

Feno 70 taona katroka amin’ity taona ity ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifon’ny firenena tamin’ny 1947.

Fatratra ny fanomanana ny fankalazana sy ny fanamarihana izany fotoana manan-tantara teto amin’ny firenena izany, ary mandritra ny fotoana maharitra fa tsy hiserana iray andro monja toy ny isan-taona. Efa tsara ny fankalazana izay midika ho fanomezam-boninahitra ireo niady ho an’ny tanindrazana, saingy mbola maro ny lesona tsy tafita amin’ny Malagasy. Zary lanonam-be, fisakafoanana ho an’ny olom-panjakana, fametrahana fehezam-boninkazo aloha no misongadina fa ny tarigetra novoizin’ireo tena nitolona fahiny aloha dia tena tsy tafita velively any amin’ny Malagasy, manomboka amin’ny mpitondra faratampony ka hatramin’ny rafitra sokajiana ho ambany indrindra. Vitsy amin’ny  Malagasy ny olona tia tanindrazana matoa izao no zava-misy eto amin’ny firenentsika. Tsy misy ny fahavononana hiady amin’ny tsy rariny noho ny fitiavan-tena sy fitiavan-karena diso tafahoatra. Iharan’ny zarazarao hanjakana, ka isika samy isika indray no mifaninana mamotika sy mambotry ary mivarotra ny tanindrazantsika. Tsy sahy mamondrona ny hery hiaro sy hampandroso fa efa donton’ny toe-tsaina samy maka sy samy mikepoka izay sendra azy. Tsy vitan’ny fomba amam-pihetsika sy fety be io resaka fitiavan-tanindrazana io, fa foto-pisainana sy foto-kevitra mila hafantoka ao am-po sy ao an-tsaina, ary iainana andro aman’alina.  Aleo tsy mandany fotoana miresaka sy milaza ho tia tanindrazana raha mbola ny atao ihany no atao fa tsy misaina kely akory ny hanova ny fomba fisaina sy fomba fiaina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT