Edito

Aleo mpamosavy malemy toy izay mpandainga …


  • Alarobia 11 Janoary 2017

“Aza manao toy ny mpamosavy malemy ianareo, ka ny ao an-trano ihany no aripaka”, hoy ny filoham-pirenena manoloana ny fihetsik’ireo mpiara-miasa sy olona akaiky azy, izay toa mandoto sy mandefona Ivoho ny filoha sy ny fanjakana manontolo.

Dia lasa ny saina sy ny eritreritra hoe ny ao an-trano ihany izany no tsy azon’ny mpamosavy malemy manodidina ny filoha kitihina, fa ny Malagasy rehetra azo hampizakaina ny tsy rariny avokoa ary homena alalana hangoron-karena sy hanao izay danin’ny kibony ny mpamosavy rehefa tsy ny mpiray donak’afo aminy no asiany. Misy fomba fitenin’ny Malagasy anefa hoe “aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga”. Ny mpamosavy malemy izay heverin’ny filoha fa hamely azy, dia ny namany ao an-dapa sy olona akaiky azy, izay mifampialona noho ny tombontsoa ka ny namany ihany no hopotehiny, ary hifandravarava ao izy ireo. Ny mpandainga kosa dia ny fiainan’ny Malagasy manontolo mihitsy no potiky ny fampanantenana sy ny kobaka am-bava, ka lainga natao fafy katrana avokoa ny nandrotsirotsiana ny valalabemandry. Firifiry tokoa moa ny ronono an-tavy natao tamin’ny Malagasy ka nametrahany fitokisana tamin’ny mpitondra ankehitriny saingy tratry ny lango malefaka sy ny lainga tsara lahatra, ka dia mijinja ny fahadisoam-panantenana ankehitriny, raha tsy hilaza afa tsy ny olan’ny delestazy izay nambara fa 3 volana dia mivaha. Tena tsy adala tokoa ny Ntaolo nilaza fa “aleo ihany mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga” ! Tena mifafa ny kiho ara-bakiteny e !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT