Edito

Aleo misoroka


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Aleo misoroka toy izay mitsabo. Fahendren’izao tontolo izao izany ary isika malagasy dia isan’ny mpamerimberina matetika izay fehezanteny izay.

 

 

 

 

Tsy amin’ny resaka fahasalamana ihany fa na inona na inona sehatra. Azo natao ny nisoroka ny fidiran’ity areti-mandripaka ity teto amin’ny firenena saingy mbola marefo ara-toekarena moa isika, hoy ireo mpitondra tamin’ireny fotoana ireny. Efa marobe ihany koa ireo sosokevitra hafa ankoatr’izay efa nasain’ny fitondram-panjakana natao hifehezana ny fiparitahan’ny valan’aretina saingy samy miaiky moa ny ankamaroan’ireo izay nanoso-kevitra, ankoatran’ny mpitondra sy ireo mpomba azy, fa toy ny rano raraka tan-damosin’ny gisa ny fandraisana ny hevitr’izy ireo. Tsy voasoroka ny fiparitahan’ny aretina noho izany fa lasa mianaka ny atao hoe “cas contact”. Azo nosorohana toy izany koa ny fahafaham-barakan’ity firenena ity eo imason’ireo haino aman-jery misy eto amin’izao tontolo izao sy ireo sehatra iraisampirenena, izay hita ho tsy tantin’ny mpitondra maro ny maheno azy ireny matetika, saingy efa rano raraka moa. Takona eo imason’izao tontolo izao ny fahombiazan’ny mpitsabo malagasy manoloana ny ady amin’ity COVID 19 ity fa lasa ny raharaha mikasika famonjana mpanao gazety indray no mampalaza antsika. Nanaraka azy indray koa moa avy eo iny resaka faminaniana izay zary toy ny ataon’ny maso vahiny fihomehezana iny. Azo nosorohana daholo ireny rehetra ireny ka heverina sy inoana ary antenaina fa tsy ho tsiny angamba ny mbola mampahatsiahy ny mpitondra sy izay omen’izy ireo andraikitra mivantana rehetra ao anatin’izao raharaha izao hoe aleo tompoko misoroka! Ny fahafaham-baraka mety azo arenina fa ny aina malagasy ho sanatria hiampatrapatra eto amin’ity firenena ity dia ho fahatsiarovana ratsy eo amin’ny tantara. Tsy azo vidiana eny Analakely sy Isotry, hoy ny solombavambahoaka iray izay, ny aina. Inoana fa azon’ny fitondram-panjakana sy ireo tompon'andraikitra atao amin’izay ny manatitra vatsy isan-tokantrano ao anatin’izao fihibohana fanintelony efa nandraisana famatsiam-bola maro izao. Aleo misoroka mba hilamin-tsaina na dia tsy mivoaka ny tranony aza ny olom-pirenena. Aleo misoroka mba sady tsy ho matin’ny hanohanana no tsy matin’ity areti-mandoza ity ny mpiray firenena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT