Edito

Aleo misoroka


  • Zoma 09 Febroary 2018

Ny zava-drehetra izay mety hitranga dia tsy maintsy misy fambara avokoa.

Ny voa nafafy ihany no hojinjaina ary miankina amin’izay atao ny mety ho vokatra ho azo fa tsy isan’andro akory ny fahagagana. Efa ela no nanambarana fa zava-miseho sy atao eto amin’ny firenena ankehitriny dia tsy hisy hitondra any amin’ny fahombiazana sy fampandrosoana satria ny efa nataon’ny teo aloha ihany no “mody” amboamboarina kely dia izay ve no lazaina hoe vina ? Efa hita fa miha sahirana ny Malagasy ary maro amin’ireo mpanao politika aza moa no nilaza tamin’ny fotoan’androny fa mety tsy ahandry 2018 izany intsony. Isaorana anefa ny mpahary fa mbola ireto mitsipozipozy eto ireto isika mianakavy. Midangana ny vidim-piainana ateraky ny fivadibadihan’ny vidin-tsolika, manjaka ny tsy fandriampalemana, manjaka ny kolikoly, ny fibodoana tany sy fananan’olona aza moa dia efa ny fitondrana mihitsy no nalaza ratsy tao anatin’ny teo imason’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha oharina amin’ny olombelona ny firenena dia azo lazaina fa marary itoeran’ireo fahalovana toy ny otrik’aretina maromaro voatanisa teo ireo. Dikan’izay, azo tsaboina. Azo sorohana. Tsy aleo ve misoroka ary? Hampihavanina haingana izay tokony hiavana. Hampifanarahana izay tokony hifanaraka. Avy eo mba samy miara-mibanjina izay hampandroso amin’izay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT