Edito

Aleo miomana tsara


  • Zoma 15 Jolay 2022

Efa hita mibaribary izao fa tsy zakan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany ilay mitantana firenena.Tsy misy zavatra mandeha amin’izao laoniny, iza no tsy mimenomenona,

firifiry no sosotra sy velon’ahiahy.Inona ny seha-pihariana mba miroborobo eto izao ? Ny tsy filaminana efa tena henjana, farany teo moa ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana.Tsy azo nihodivirana iny hoy ny mpitondra fanjakana, tena ekena satria noho ny zavamisy manerantany.Fa ny zava-doza anie dia mafonja be ilay fisondrotana e.Izay no vokatr’ilay hoe aza asondrotra mihitsy aloha ny vidin-tsolika nanomboka ny taona 2019.Efa fantatra anefa fa tsy maintsy hisondrotra io, ankehitriny olona efa reraka sy sahirana, ao anaty vanim-potoana hikarakarana ny fidiran’ny mpianatra, no mizaka sondro-bidim-piainana tena henjana.Hatreto aloha tsy nanambara izay paikady sosialy hanampiana ny sahirana ny fnajakana fa dia tahaka ny hoe : samy mizaka ny azy eny e .Ary ny tena mampatahotra kanefa tsy maintsy hiomanana dia mbola hihamafy ny krizy manerantany, noho ny ady sy fifanolanana etsy sy eroa ary ny fifampitandrohana eo amin’ny Rosianina sy ny tandrefana.Tsy maintsy hisy akony ratsy aty Madagasikara io, ka dieny izao indray dia mila manana paikady pmazava ny fitondram-panjakana, ka mba zavatra tena matotra sy manaraka tsara ny zavamisy ny tetibolam-panjakana 2023 ho dinihana amin’ny faran’ity taona ity fa tsy zavatra hamoa-doza sy feno sehoseho ivelany fotsiny.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT