Edito

Aleo mifandamina e !


  • Zoma 29 Mey 2015

Na dia eo aza ny hambom-po sy ny maha izy azy ny tsirairay dia tokony samy hahatsapa kosa fa tsy misy manana ny marina 100%. Izay no mahatonga ilay hoe tsy maintsy mifampiresaka mba hikarohana ny vahaolana, mba

hivoahan’ny marimaritra iraisana. Mety tsy hahafa-po ny an-daniny sy ny an-kilany izany, kanefa izay no fomba hendry indrindra hamahana ny olana. Daroka baomba nokleary nataon’ny Amerikanina ka nahafatesan’olona hatrany amin’ny 300 000 tao anatin’ny iray andro no nampilavo lefona ny japoney tamin’ny ady lehibe faharoa ; i Etazonia anefa avy eo no nanampy an’i Japon mba hiarin-doha. Mafy ny fampijaliana nataon’i Alema tamin’i Frantsa fony nitantanan’i Hitler ; tahaka ny rano sy vary miara-dia hatrany anefa ny firenena roa tonta amin’izao fotoana. Tsy resaka fanadinoana ny fangirifiriana sy ny fampijaliana niainana fahiny ilay izy na fanaovana tsinontsinona ny ra latsaka noho ny tolona natrehana, fa tsy maintsy mivoatra manaraka ny vanim-potoana ny fomba fijery, ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ka ny tombontsoa iombonana no mibaiko ny an-daniny sy ny an-kilany amin’io. Raha mbola azo atao ny miresaka mialoha ny ady na fifamonoana dia aleo miresaka sy mifandamina e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT