Edito

Aleo manonofy aloha


  • Alatsinainy 29 Mey 2017

Mba fahalalam-pomba angamba no mahatonga ny olona sasany mitoraka voninkazo ny fitondrana HVM misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, fa raha hoe ny asa atao sy ny fomba fitantanana ary ny fanolorana vahaolana mahomby dia ratsy dia ratsy ny naoty


.Hita hoe miezaka manazava ihany ny tompon’andraikim-panjakana maro, anisan’izany ny filohampirenena saingy efa lalina loatra ny hantsana, saron’ny fahantrana sy ny fahasahiranana ny olona koa tsy manam-potoana handinihana sy handalinana izay fanazavan-kevitra ataon’ny mpitondra intsony.Ilay izy rahateo moa 3 taona aty aoriana vao atao.Efa lasa solon’anaran’ny filoha ankoatr’ilay hoe ra-evotrevotra ny hoe i Rainitelo na ilay sahy nilaza fa ho foana ao anatin’ny 3 volana ny delestazy.Vao omaly alahady fetin’ny reny anefa izao no nisy faritra maro teto Antananarivo no tsy nisy herinaratra nandritra ny 3 ka hatramin’ny 7 ora.Na ahoana na ahoana fanazavana omen’ny Jirama dia efa tsy te hahalala intsony ny olona satria leon’ilay fampanantenana poakaty sy ny filazana fa sahirana sy mila mihafy isika kanefa ny mpitondra toa miha matavy isan’andro ary misolo fiara isaky ny mihetsika.Famahana ny olana ara-tsosialy miaraka amin’ny asa fanarenana ny firenena sy ny fandaminana no tontolo politika..ireo no laharampahamehana 3 goavana tokony handanian’ny governemanta ron-doha isan’andro sy isany.Mety ho vitan’izy ireo ve izany sa mijanona ho nofinofin’ny olom-pirenena manantena tsy misy fotsiny ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT