Edito

Aleo mailo ihany


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Manan-danja eo amin’ny tohin’ny tantaran’i Madagasikara ity herinandro ity izay voatondro fa hivoahan’ny didim-pitsaran’ny HCC momba ilay fanonganan’ny solombavambahoaka ny filoham-pirenena


. Tsy sanatria maniry ratsy fa raha ny resaka re tetsy sy teroa tato anatin’ny andro vitsivitsy izao dia manahy ny olona fa na ho eny na ho tsia ny valin-teny dia ho avy foana ny korontana eto amin’ny tany sy ny  fanjakana. Mety ny fahafantarana izany ve no mahatonga ny mpitandro ny filaminana hentitra sy masiaka amin’izao fotoana ? Ny hoe fivorivoriana na fidinana an-dalambe aloha dia sarotra tanterahana ankehitriny satria tena tsy misomonga ry zareo, manakaiky rahateo ny fankalazana ny fetim-pirenena ka tsy atao mahagaga io fahasiahany io. Midika anefa ve izany fa dia tsy hisy mihitsy ny fanehoan-kevitra ? Hanao ahoana no mety ho fihetsik’ireo depiote raha toa ka mitsipaka ny fitorian’izy ireo ny HCC ? Raha hihetsika ihany izy ireo dia hanao inona marina ? Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ary mila fahamailoana tanteraka satria pitik’afo kely fotsiny dia mety efa handoro tanàna a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT