Edito

Aleo ho fanta-bahoaka e !


  • Alarobia 26 Oktobra 2016

Ho avy indray izany ny ampamoakan’ny mpanao gazety mikasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Inoana fa tsy maintsy hisy mpitondra eto amin’ny firenena tafiditra ao mba tsy hilazana hoe ny mpitondra mihitsy no maloto ao anatin’ny raharaha. Matetika voatonona amin’ny resaka afera maizina ireo mpitondra ambony ka tsy vaovao amin’ny sofin’ny Malagasy intsony ny fahenoana sy fahalalana azy. Ny fanondranana andramena an-tsokosoko, ny fanondranana volamena tsy ara-dalàna, ny fivarotana tanindrazana amin’ny sinoa hatramin’ny fikotrehana asan-dahalo dia samy ahenoana fa ny mpitondra fanjakana no manome vahana sy ao ambadika. Tsy afa-manoatra anefa ny besinimaro satria atody miady aman-bato raha hamotsipotsitra ny marina. Ho hafa mihitsy ny mety ho fipoakan’ny raharaha raha ny mpanao gazety sy ny haino aman-jery no hamaky bantsilana ireo fomba maloto sy afera maizina ho fanta-poko fanta-pirenena. Inona no hataon’ny mpitondra manoloana izany ? Ho vitan’izy ireo ve ny mbola hanarontsarona ny zava-misy toy ny resaka volamena 24 kg tratra tena Ivato izay tsy nisy tohiny ? Tsy hisy marina izay tsy hipoitra ka aleo vakiana bantsilana ho fanta-bahoaka ny marina na mananontanona indray aza ny famoretana isan-karazany e !  

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT