Maro izay fampanantenana natao izay. Tsy vitsy izay fampanofinofisana nakana ny fon’ny vahoaka izay.
Raha ireny no tanteraka, azo antoka fa ho lasa sangany aty Afrika sy hanana ny toerany eo anatrehan’izao tontolo izao, araka ny tenin’iny kandida nampanantena fa handingana ao anatin’ny fotoana fohy ny fandrosoan’ny firenen-dehibe an-jatony taona iny. Andro sisa hisaina dia handray ny fahefana feno hahafahany manatanteraka ho asa azo tsapain-tanana ireo fampanantenana am-bava ilay filoha ambara fa voafidim-bahoaka, ka aleo handeha hotazanina e ! Tsara ny manonofy, saingy “ny valala tsy an-tanana, tsy atolo-jaza”, hoy ny fahendren’ny razantsika. Mba efa hita ihany ny nafitsoka teto folo taona lasa izay, ka raha nampanantena paradisa sy fiovam-piainana ho an’ny Malagasy, dia afobe no zary zioga niainan’ny valalabemandry nandritra ny 5 taona. Olom-bitsy no tena niadam-pinaritra sy nanao izay rehetra hampitombo ny ambaindain’ny fananany, ka toy ny harena maty tompo ilay harem-pirenena Malagasy nanaovan’izy ireo azy. Mivavabavaka ny maro mba hisy fahagagana sy fanahy masina hirotsaka, fa raha ny tanana zatra mitsotra aloha dia sarotra ny mbola hampivonkona azy. Mba hisy tahotra an’Andriamanitra izany intsony ve eo anatrehan’ny fanaovana an-tsisin-tosy io resaka io amin’izao raharaha mafana handraisana fahefana izao ? Asa lahy raha mizotra mankany amin’ny fahalalana sy fahafahana araka ny voizina isika na manoka-baravarana ho amin’ny ratsy rehetra satria efa andron’ny fahalalahana, hono, izao e ! Aza hitako aza mahita ahy, hoy ny vazivazin’ny olona, ka halefa antsisin-tosy tanteraka ny resa-pinoana sy fivavahana fa homena sehatra ireo ambara fa fahalalahana sy fandrosoana manitsakitsaka ny soatoavina, toy ny fiarahan’ny mitovy fananahana. Ny ahiahy tsy hihavanana ka aleo hazava ity raharaha ity, fa sao efa fanombohana ny fanjakan’i Sodoma sy Gomora izy ity sanatriavin’ny vava. Efa faly sy mibitaka ry lava orona sy ry mena sofina amin’izao fa nahatafita ny olony afaka hiaro ny ambaindain’ny aferany, hono e ! Dia asa lahy na mba hisitraka ny mamin’ny taniny tokoa Ramalagasy na mbola ny omaly tsy miova tahaka ny volan-kankafotra ihany ? Tsara ny manantena sy maniry zavatra tsara fa aleo miomana amin’ny ratsy mety hiseho ihany e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.