Aleo handeha hijerena azy

Tsy zava-baovao fa efa nazava be


  • Alatsinainy 10 Novambra 2025

hatrany am-boalohany fa tena mbola

misy ireo olona manimanina ny tongolon’i Egypta ka manantena fa mbola hiverina ny mpitondra teo aloha. Efa mazava tsara anefa ny zava-misy, raha ny aty Afrika no jerena fa izay lasa tsy tafaverina intsony. Tsy tafaverina eo amin’ny fitondrana ilay resaka eto. Nanana fotoana tena lava raha i Andry Rajoelina sy ny ekipany satria nanomboka ny taona 2009 izy ireo no efa nahazo fahefana, mbola tsy afa-bela tamin’ny tambazotran’izy ireo ny fitondrana HVM.Tena mafy ho an-dry zareo iny hetsi-bahoaka nahavita nampiongana an-dry zareo tao anatin’ny 18 andro monja iny. Ao anatin’ny fanovana tanteraka i Madagasikara amin’izao fotoana, tsy azo odian-tsy hita kosa anefa ireo fanaparam-pahefana, halatra, fandrobana harem-pirenena ary fanodinkodinana volam-bahoaka natao teto. Rehefa tratra amin’ny natao izay moa dia fomba ny miaro tena, ary maro anie ny voafonja no milaza fa tsy meloka e ; aleo tena handeha ny fanadihadiana fa fantatra eny foana hoe iza no iza ary iza marina no nanao inona. Manampy izay dia efa mahoraka hatry ny ela anie hoe tendan-kanina be ny manampahefana sasany teto e, tena tsy nahalala voky mihitsy dia io fa mandeha ny fanadihadiana. Ary raha ny fahafantarana ireo tompon’andraikitra mitarika ny fanadihadiana aloha dia tsy hisy indrafo io fa izay tratra eo dia mihatra aminy ny lalàna. Mila tena sahy manova raha te hivoatra, tonga izao ny fotoana hampisehoana fa mahavita azy ny Malagasy fa tsy olona mangata-dava. Raha tratra ireo petra-bola maro be nafenina any ivelany any, tena amina miliara dolara ny vola hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ka ahafahana manatanteraka ireo tetikasa hanasoavana ny vahoaka sy hampandrosoana ity Madagasikara ity.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT