Aleo hanao izay reviny eo sisa?

Ny heloka hibabohana mody rariny,


  • Alakamisy 17 Jolay 2025

ary ny rariny hitompoana mody heloka, hoy ny fomba fiteny Malagasy.

Mirakitra soatoavina goavana ary ahafahana mandrindra ny fiarahamonina izany. Tena azo ampiharina amin’ny fitantanana Firenena, saingy toa lasa fady raha tarafina amin’ny mpitondra ankehitriny ny hiaiky ny tsy mety ka hanitsy ny dia. Fanamarinan-tena, fanohizana ny làlan-diso, fiheverina ny vahoaka ho bado,… no misongadina eto na efa hita izao fa tsy mahomby. Zary tonga hatrany amin’ny fandrangarangana hery aza hampanekena ny olom-pirenena ny zavatra tsy eken’ny saina aman’eritreriny,… Fijery sy fihevitra tokana na « pensée unique » no tiana hanjaka eto, ka izay mifanohitra ny heverin’ny mpitondra fa mety dia fisakanana fampandrosoana, fanoherana bontolo, fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena, fanakorontanana,… Toa lavitra na tsy misy intsony izany fanetren-tena izany na fihainoana ny fieritreretana fa toa gejain’ny fitiavam-pahefana sy ny fitiavan-tena lalim-paka ? Firifiry tokoa moa ireo tsy fanjariana sy tsy fetezana nitranga teto efa noleferina hany ka toa niteraka fahazaran-dratsy fa na inona na inona tsy fanjariana ataon’ny mpitondra ankehitriny dia tsy olana sy eken’ny Malagasy mora foana. Nandeha ny fanonganam-panjakana dia vitavita ho azy teny ; nandeha ny amboletra ara-pifidianana dia nolefileferina teny ; mety handeha ny fiketrehana taom-piasana fahatelo amin’ny fomba tsy ampoizina dia vitan’ny mimenomenona eo fa ny làlany mitohy ? Feno ny kapoaka fa tsy mety mitobaka ? Notezaina handohalika ny Malagasy ka aleo hanao izay reviny zo sisa ny mpitondra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT