Edito

Alarobia tsy...miverina


  • Alakamisy 02 Aogositra 2012

Alarobia tsy miverina no nanambaran’ny CENI-T ireo datim-pifidianana hatrehantsika amin’ny 2013.

 Mazava ny resaka fa tsy hiova intsony io tetiandro io, fa dia manana 10 volana izany ny mpikarakara sy ny kandida hiomanana. Tsy misy ny fifidianana amin’ity taona 2012 ity, satria azo ambara fa maimaika ihany raha izay no atao. Tsy ny famaranana faran’izay haingana ny tetezamita no tanjona fa kosa ny hamaranana ny tetezamita amin’ny fomba mihaja sy milamina. Resaka ka mba atao, fa raha ny tena marina dia mety amin’ny mpanao politika avy amin’ny ankolafy rehetra ity fanapahan-kevitry ny CENI-T ity; satria ny efa nahazo seza izany dia mbola haharitra herintaona latsaka eo amin’ny fitondrana indray aloha. Ny tsy mbola tafiditra moa dia manana fotoana lava tsara mihitsy hiomanana sy hanaovana propagandy mialohan’ny fotoana. Raha mbola misy ihany koa ny olana tsy voavaha dia heverina fa ampy tsara io fe-potoana io hikarohana ny vahaolana, tian-kambara amin’izany ny dinika eo amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

Dinika izay antenain’ny maro fa anisan’ny vavahady misokatra mankany amin’ny tena fitoniana. Eo amin’ny lafiny teknika dia fe-potoana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena mba hanomanana fifidianana io 10 volana io, ka na dia averina manontolo aza ny fanitsiana ny lisi-pifidianana dia azo antoka fa ho vita ara-dalàna izany satria eo amin’ny enim-bolana eo ho eo ny fanatanterahana azy. Miaraka amin’izay dia tsy maintsy misy ihany koa ny fanabeazana fampianarana ary fanentanana ny olona momba ny fampiasana ilay bileta tokana, mbola mila volana maromaro koa izany.

Ary ny farany kanefa tsy ny bitika indrindra dia mila alamina ihany koa ny sehatry ny fanaovana politika eto, ka mba manambatra ny heriny izay antoko mitovy foto-kevitra fa tsy hoe, antoko politika 300 dia samy hanana kandida avokoa. Politika mampianatra sy manabe vahoaka hahay mandray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena, amin’izay no tokony hatao eto, fa tsy politika hitadiavan-tseza mba hahafahana mangoron-karena. Niainga omaly tamin’ny famoahana ny datim-pifidianana ny tena fanovana, ary inoana fa samy hiroso amin’izay ny rehetra fa tsy hiverin-dalana intsony, izay voasoratra dia voasoratra ary rehefa nekena sy nosoniavina dia tanterahana. 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT