Edito

Alarobia tsy miverina


  • Alatsinainy 09 Jolay 2012

Bravo Makis ! Tafita ho amin’ny dingana ambony aty Afrika ny rugby malagasy rehefa in-telo manta vary tao anatin’ity vondrona B nisy antsika an-taonany maro ity.

 Antok’iny fahombiazana iny ny fanomanana nataon’ny mpilalao sy ny mpanazatra hiaro ny voninahi-pirenena, teo koa ny fanohanan’ny mpijery tonga maro teo Mahamasina. Fa na tiana na tsy tiana dia zava-dehibe ny fandrisika ara-bola nomena ny mpilalao. Voaporofo tamin’iny lalao iny fa rehefa tsara ny tohana dia mitombina ny saina aman’eritreritra ary mahazo vokatra tsara. Ankoatra ny vola nomena ho fampirisihana ny Makis mantsy dia mbola nomena fankasitrahana ara-bola ihany koa izy ireo. Tsy hiady varotra amin’izay kosa angamba, satria nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo tanora ireo.

Vita iny ny an’ny Makis, fa mba ahoana kosa iretsy sendika samihafa manao fitakiana ? Efa am-bolana ny lalaon’izy ireo, lalao nasionaly. Hohenoina sa hanaovana bemarenina fa hoe tapitra hatreo ny fifampidinihana ? Hanaovana valy bontana ve fa hoe tsy andron’ny fitakiana izao, ka miandry ny Repoblika faha-4 ? Ravalomanana nasolo Rajoelina, Depiote novaina CT ary Senatera natao CST ve no hany fanovana eto ? Hafanafana ity herinandro ity. Andro rahateo sisa andrasana dia higadona ny 11 jolay hifanomezan’ny mpiasam-panjakana, hampikatsoana ny asam-panjakana. Andro alarobia io, alarobia tsy miverina !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT