Edito

Alarobia tsy miverina ?


  • Talata 16 Novambra 2010


Nifarana hatreo izany aloha ny fampielezan-kevitra momba ny fitsapan-kevi-bahoaka hanovana lalampanorenana fa dia samy miandry izay havoaky ny rahampitso ny rehetra. Andro tsy iasana kanefa handraisan-karama ny alarobia 17 novambra 2010 hanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka. Efa fomba fanao ihany moa izy io hatrizay rehefa misy ny vanim-potoana lehibe eo amin’ny fiainan’ny firenena. Hafa kely anefa ny amin’ity indray mitoraka ity satria voalohany no hanatanteraka fifidianana andro alarobia izany isika. Alarobia tsy miverina, hoy ny fomba fiteny izay. Anisan’ny fanovana nentina teto moa izy ity ka nifanarahana fa tsy atao amin’ny andro natokana hivavahana intsony ny fifidianana dia ny zoma, ho an’ny finoana Silamo, ny sabotsy ho an’ny antokom-pivavahana kristianina sasany, ary ny alahady ho an’ireo fiangonana ao anatin’ny FFKM.

Raha ny tena marina dia fihetsiketsehana sy seho ivelany ihany ireny, niainga tamin’ny fifanarahana, saingy mbola baraingo be goavana hatramin’izao ny hoe : ahitana taratra ny fifanarahan’ny maro an’isa marina ve ity volavolan-dalàmpanorenana hitsapana ny hevi-bahoaka amin’ny alarobia tsy miverina ity ? Lasa sangisangy ihany moa ilay izy ho an’ny olona sasany izay milaza fa izay lany eo dia izay no izy, fa tsy miverina intsony io. Ao ireo milaza fa leon’ny resabe sy ny fanakianana azy ho miova hevitra sy miverin-dalana lava i Andry Rajoelina ka tsy hilefitra intsony amin’ity indray mitoraka ity fa izay kaontiny eo dia vidiny ! Mampatahotra ihany anefa ny raharaha amin’izao fotoana satria hita ho tena nihemotra ny zava-drehetra ary manangasanga any indray ny savorovoro sy ny gidra.

Tsy hampisy fitoniana politika mihitsy mantsy ny fampidiriana am-ponja ireo mpanohitra ny fitondrana. Mahagaga hoy ireo mpanara-baovao fa ireo jeneraly mpitondra jadona any Birmanie aza namoaka tsy misy fepetra ilay Ramatoa lehiben’ny mpanohitra, fa ny eto amintsika milaza azy ho raiamandrenin’ny malagasy rehetra sy hitondra ny fanovana indray no managadra ireo tsy mitovy hevitra aminy. Iaraha-mahalala anefa fa maro be ireo mpiray tanindrazana tsy mankasitraka izany, ary tsy hitazam-potsiny manoloana ny jadona sy ny tsy rariny mandrakizay. Resy lahatra ny rehetra fa raha tena to teny amin’ny fitantanana ny firenena ny FAT dia efa vita tamin’ny 20 aogositra 2009 ny fitsapan-kevi-bahoaka, fa matoa nihemotra aty amin’ny 17 novambra izany dia tsy tompon’ny teny farany ary tsy manana ny vahaolana rehetra amin’ny krizy ny FAT.

Tsy misy afaka manome antoka mihitsy anefa fa handamina ny krizy politika ny latsa-bato hatao rahampitso, dia ho hita eo fa tsy maintsy hisy izany ny zavatra miova aorian’io rahampitso io, ka na manaiky izay lany eo ny mpanohitra ka hiditra tsimoramora ao anatin’ny tetezamita, fa tsy maharesy tosika ny herim-pamoretana ; na tonga saina amin’izay i Andry Rajoelina, ka hiova fihetsika sy fomba fisainana ka tsy hikiribiby handentika anaty lavaka ny firenena sy ny fiainam-bahoaka, ary hiverina amin’ny fanapahan-keviny. Misokatra ny adihevitra, hiverina ve sa …tsia ny alarobia ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT