Edito

Alamino tsara e !


  • Talata 10 Janoary 2017

Na dia mbola misy ihany aza ny fifampiarahabana isaky ny faran’ny herinandro noho ny taom-baovao dia efa fotoanan’ny asa tanteraka amin’izao herinandro faharoan’ny volana janoary izao.

Fomba fitenin’ny Malagasy ny hoe : « enga anie ho lasan’izay ny ratsy rehetra » raha toa ka nisy fahoriana na tranga ratsy teo amin’ny fianakaviana. Fa fomba fiteny ihany koa ny hoe efa nivalona iny ny taona ka aleo hivalona miaraka aminy any ny tsy mety…Faniriana tokoa izay ary mety raha te hanova zavatra sy te handroso. Manjaka eto Madagasikara ny gaboraraka, lasa fomba amam-panao ny mandroba na mandoro fananana iombonana, eny hatramin’ny biraom-panjakana aza. Lamaody teto ny fitsaram-bahoaka darohana avy eo dorana izay heverina fa olon-dratsy voasambotra. Mbola betsaka ny baraingo momba ny vola be nampiasaina nanomanana sy nanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Miezaka ihany  mandamina ny kaominina fa mbola misy isan’andro ihany ny mpivarotra amoron-dalana, ary tsy eto Antananarivo Renivohitra irery fa efa manomboka miparitaka isam-paritra. Malaza ho mpandika lalàna Ramalagasy, ny tena marina koa dia tsy mazava ny didy aman-dalàna mihatra eto, misy aza lalàna efa tena lany andro. Mifangaro na mifanitsaka mihitsy aza ny fenitra araka ny fomban-drazana sy araka ny rivotry ny fandrosoana. Maro be, araka izany, ny zavatra mila amboarina, ahitsy, ovaina raha te handroso marina i Madagasikara sy tsy te hiverina amin’ny tsy mety fanao taloha intsony.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT