Noho ny zavatra misafotofoto maro dia fahendrena ho an’ny ben’ny tanàna vaovao hitantana an’Antananarivo Renivohitra ny mampanao fanadihadiana na « audit » momba ny zava-nitranga rehetra tao amin’ny kaominina, indrindra fa ny resaka ara-bola mialoha ny tena handraisany ny asany.
Raha misy ny zavatra tena mampiahiahy na ny antontan-taratasy tsy mazava, ny ahiahy amin’ny resaka kolikoly avo lenta sy ny karazany dia tsara kokoa ny miantso ny Bianco, satria misimisy ihany izay resaka nandeha izay. Ka tsy aleo ve aloha alamina tsara mialoha ny tena iasana ? Ny asa fampandrosoana sy ny fanarenana tsy maintsy irosoana fa na izany aza tsara atao mazava ny kaonty sy ny taratasy. Raharaha tena mafana ny resaka fanotofana tany eto Antananarivo, eo ihany koa ny fanorenana trano etsy sy eroa sy ny fakana tany. Zavatra niteraka fimenomenomana sy savorovoro ireo ary mila vahaolana. Manana anjara andraikitra goavana ao anatin’izany ny kaominina izay tsy maintsy miara-miasa amin’ny fitondrana foibe amin’ny fikarohana ny vahaolana. Raha sanatria hangatsiaka ny fifandraisana dia ho raharaha ihany koa no hitranga eto. Filaminana sy firindran’ny asa fa tsy korontana no tadiavina, izay ihany no antoky ny fampandrosoana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.